Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana, anaty sokajy
afo
Hampiditra ohabolana
1.
Ela niaretana ny mahamay toy ny vilanin'antitra.
Angonoka
2.
"Areheto ny afo iaraha mamindro"
ramiandrisoa_jean_marc2018
3.
aza mikiraro ambony kitay, ka manao laniala am-pisoronan’afo.
itaramasoandro
4.
Matoa misy setroka dia misy afo.
soanja
5.
Sorona afon'adala, ka ny eo aloha tsy levona, ny aoriana asesika ihany.
soanja
6.
Asisika ho may toy ny soitrafo.
soanja
7.
Andro ahamaizan'ny trano manao afo am-bilany kely , fa andavanandro, manao roborobo.
soanja
8.
Manatsafa toy ny mpaka afo.
soanja
9.
Otrik'afon'apombo ka tsy midonaka fa mivaivay.
soanja
10.
Aza manao toy ny vilany, ny vody efa main'ny afo nefa ny hanina lanin'ny sasany
Ratianakel
11.
Aza atao toy ny afo mololo, miredareda fa mora maty, fa ataovy toy ny afon'ampombo, misoko mangina fa maharitra ela
aivetinakely
12.
Takà pa nahita afokasoka ka mampirehitra jiro antoandro.
aivetinakely
13.
Donak'afon'Analakely avy hatrany dia any am-bovonana.
aivetinakely
14.
ny teny toy ny salaka ka ny tompony ihany no afatony
nanette
15.
Tsy ny donak'afo no mahafana ny trano, fa ny mpivady mifanara-draharaha.
jentilisa
16.
Misoko mangina toy ny otrik'afon'apombo
jentilisa
17.
Donak'afon'Analakely: avy hatrany dia any am-bovonana
jentilisa
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0098