Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana, nampidirin'i
jentilisa
Hampiditra ohabolana
421.
Ny adalan'ny olona ihomehezana fa ny adalan'ny tena itafian-damba.
jentilisa
422.
Izay adala no toa an-drainy.
jentilisa
423.
ny anarana tanim-boanjo ka samy mamaritra izay tiany.
jentilisa
424.
raha tohina ny aty marary ny afero
jentilisa
425.
Valalan'amboa ka ny tompony aza tsy tia
jentilisa
426.
Izay mena valala, izay tiana malala
jentilisa
427.
Nify samy fotsy, ra samy mena
jentilisa
428.
Na amboako na amboan'olona rehefa vandana dia kary
jentilisa
429.
Vava soa sakafo
jentilisa
430.
Teny maro tsy ilaozan'ota
jentilisa
431.
Rafotsibe very laona ka miandry izay igadonany
jentilisa
432.
Rafotsibe leom-boananana ka tsy tia zava-boribory intsony
jentilisa
433.
Aza manao fihavanam-bato ka tapaka tsy azo atohy intsony.
jentilisa
434.
Mahita ny akanga tsara soratra ka hanary ny akoho taman-trano?
jentilisa
435.
Ny an-tratra tsy lavo koa hoe antsoy koa rainilahibe
jentilisa
436.
Antananarivo no tsara trano ka Ivakiniadiana no sola vantony.
jentilisa
437.
Tranoben'Antananarivo, izay mahavita aloha no manenina.
jentilisa
438.
Gisalahy homan-ketsa, izy mangalatra indray no avo vava
jentilisa
439.
Mpiasabe vonton'anatra, eny an-tsena avy no manao mbay ilalana
jentilisa
440.
Trano bongo misy ronono ka sarotra atao malahelo
jentilisa
Voalohany
Mialoha
13
14
15
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0963