"Mahita volana alohan'i Habib" no tena izy. I Habib dia teratany arabo nosoran'ny mponina tao Ambohidrabiby ho mpanjaka tamin'izany fotoana. Mpanandro izy io ka nanana fahefana manokana milaza ny ho avy amin'ny alalan'ny fijerevena volana. Noho izany dia lasa fiteny tany an-toerana izy io raha misy olona miseho mahalala ny ho avy mialohan'i Habib. Izany ho "mahita volana alohan'i Habib" izay nohagasiana hoe "mahita volana alohan-dRabiby" no tena fiteny fa lasa fahazaran-dratsy fotsiny ilay hoe "mahita volana alohan'ny biby".
Marihina koa moa fa "Ambohidrabiby" no tena anaran'ilay tanàna fa tsy "Ambohitrabiby" mba hoentina hilazana fa Habib no nitondra tao tamin'izany.
nannie (
16/07/2015 09:27)
Taloha nieritreritra mihitsy hoe izao no izy, mandram-pisian'ny olona iray nanambara tamiko fa "Mahita volana alohan'i Habib" hono no izy. Ahoana izany ? Inona no marina ?
Commentaires en cours
Marihina koa moa fa "Ambohidrabiby" no tena anaran'ilay tanàna fa tsy "Ambohitrabiby" mba hoentina hilazana fa Habib no nitondra tao tamin'izany.