Accueil
Insérer
Liste
Catégories
Inscription
Connexion
Liste des proverbes
Liste de tous les proverbes
Insérer un proverbe
5431.
Trafon-kena ome-mahery ambava homana am-po mieritreritra
JMR
5432.
Tovovavin'Ambohimanarina, votsa saina fa kinga fitombenana
JMR
5433.
Potsitr'ovin'Ankaratra, ka samy mihinana ny voapotsipotsiny
JMR
5434.
Volamena latsaka am-bovoka, tsy avelan'ny soa tsy hihiratra
JMR
5435.
Tsy ny teny no ratsy fa ny sainao no tsy tsara
JMR
5436.
Lolo manatona afo, mitolo-tena ho may
JMR
5437.
Ny tanora vato mandondona, ny antitra hazo amoron-tevana
JMR
5438.
Mpandihy lava volon-kelika, ratsy atao mahazo tsiny, tsara atao mahazo tsiny
JMR
5439.
Manalasala toy ny parasy am-pitombenana, avela mangidihidy, haorina manamaimbo tanana!
JMR
5440.
Izay voky no maharaka ny namany
JMR
5441.
Aza manody ny voky goavy!
JMR
5442.
Aza miady amin'ny adala
JMR
5443.
Aza manao fiavin'ny tafara
JMR
5444.
Izay tonga aloha no tompon-tanindrazana
JMR
5445.
Izay miaraka amin'ny amboalambo dia amboalambo
JMR
5446.
Ny adala no tsy ambakaina, Andriamanitra no atahorana
JMR
5447.
Mitovy ny tsy manana sy ny tsy manaja
JMR
5448.
Ny mitelin-kafatra mahabe kibo
JMR
5449.
Nalain-kanirina vao namandravandra
JMR
5450.
Ny hendry ihany no anarina
JMR
5451.
Ny adalan'ny olona ihomehezana fa ny adalan'ny tena anarina
JMR
5452.
Ny zaza toy ny rano am-pasika, izay amiliana azy no andehanany
JMR
5453.
Aza manao vato manoha-riana
JMR
5454.
Rehefa mety ny atao ny sahobakaka aza mampidi-dranoketsa. Rehefa tsy hety ny atao, ny tain'akoha aza mahasolafaka
JMR
5455.
Ny omby indray mandry tsy indray mifoha
JMR
5456.
Ny saonjo iray lohasaha tsy ilaozan'izay iray hamarara
JMR
5457.
Vato natsindry ahazana ka tsipy no valim-pitia
JMR
5458.
Ny ela nihetezana lava volo
JMR
5459.
Aza be famaritra toa rambon'osy
JMR
5460.
Ity vao tay fa vokatra ny vomanga
JMR
First
Previous
180
181
182
183
184
Next
Last
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0247