Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
5371.
Tsy tia aho e tsy tia aho e, nefa ny ao am-po mitaralila
JMR
5372.
Basy atifi-kavana ka arangaranga
JMR
5373.
Miharihary hoatran'ny kary an'efitra
JMR
5374.
Ny manantena tsy misy no sarotra fa ny mamoy mora foana
JMR
5375.
Aza sarotiny alohan'ny tompony
JMR
5376.
Aza sarotiny alohan\'ny tompony
JMR
5377.
Horakoraka ny an'ny sahona fa tsiboiboika no tompon'ny rano
JMR
5378.
Tsobo-dranon-dRamiangaly, raha marivo irobohana, raha lalina ihemorana.
jentilisa
5379.
Ataovy toy ny voankazo an'ala, ny mamy atelemo, ny mangidy aloavy.
jentilisa
5380.
Ny hazo no vanon-ko lakana ny tany naniriany no tsara.
jentilisa
5381.
Miantso an-dohariana, manao izay tsy ifandrenesana.
jentilisa
5382.
Mikopa-damba anaty zavona, manao izay tsy ifankahitana.
jentilisa
5383.
ny honohono mahakila ny natono sy mampandroatra ronono.
jentilisa
5384.
tantanana sy riandriana ka tsy matahotra izay hifandona.
jentilisa
5385.
Namono biby tsy nahafaty ka ifoteran'ny rambony.
jentilisa
5386.
Ela nitoratorahana ka nahavoa mason'angatra.
jentilisa
5387.
Adin'akoholahy vorombato, ny iray torotoro, ny iray disadisaka.
jentilisa
5388.
Be nangy mitsok'ovy, ny kibo voky tsy hitan'ny olona fa ny nangy mitombo no hitan'ny olona.
jentilisa
5389.
Misoko mangina toy ny otrik'afon'apombo
jentilisa
5390.
Vovon'alika tsy hery fa tahotra
jentilisa
5391.
Fanalolahy za-dririnina ka tsy miraika amin'izay tora-bato.
jentilisa
5392.
Sakaipilo tsy leon'ny sakaimalaho
jentilisa
5393.
Valala tsy ampoky ny ahitra ka mifiaka ny antsoro maina.
jentilisa
5394.
Vitsika momba kitay ka harivariva an-tanin'olona.
jentilisa
5395.
Takatra amorom-parihy: tsy matory fa miero-panahy.
jentilisa
5396.
Ny adin-kabary toy ny dontany sy kapotandroka
jentilisa
5397.
Diavolan-ko lava ny lalao mbola ho ela.
jentilisa
5398.
Ny manaiky lempona iandronan'ny rano sady ho voatondro maso amin'ny andro farany.
jentilisa
5399.
Katsaka, tsaramaso, voanjobory...hanina harivariva mampatory
jentilisa
5400.
Ankifonofono toy ny varo-katsaka amam-bolony.
jentilisa
Voalohany
Mialoha
178
179
180
181
182
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0533