Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
31.
Hatsipy ny tady eny antandroky ny omby, hatsipy ny teny ao ampon`ny mahalala
RIJA08
32.
Tsipak`ombalahy, mahavoa mahafaty, tsy mahavoa mahafanina
RIJA08
33.
Tanan-kavia sy havanana ka izay didi-maharary
RIJA08
34.
Raha lava ny teny very ny soa , raha lava ny bozaka very ny kisoa
RIJA08
35.
Ny teny toy ny fary lava vany ka tsy lany hamamiana
RIJA08
36.
Ataovy toy ny fihananam-bozaka, ny fohy manohana ny lava ary ny lava manakona ny fohy
RIJA08
37.
Mandeha ila ohatran`ny kiraron`i bemolahy
RIJA08
38.
Tanora mahita fotsim-bary ka arotsahy ihany no ao antsaina
RIJA08
39.
Vorivorin`alika, ny hevitra tapaka tsisy fa orokoro-body no betsaka
RIJA08
40.
Donak`afon`Analakely , vao mipaka dia any ambovonana
RIJA08
41.
Boka nangala-pary ka napangain`ny lainy
RIJA08
42.
Vorivorin`alika , ny hevitra tapaka tsisy fa orokoro-body no betsaka
RIJA08
43.
Ataovy toy ny dian-tana, todio ny lasa, banjino ny ho avy
RIJA08
44.
Akoho mitarika ganakely , ho tarihina toa pela-bava, ho ariana efa nanahirana
RIJA08
45.
Tsy ampy ketsa mivezivezy , very omby manara-morona
RIJA08
46.
Tsisy farany ohatran`ny zoma voalohany
RIJA08
47.
Akoho kely lasa-papago ka lasa ambony vao tra-pahoriana
RIJA08
48.
Aleo enjehin`ny omby masiaka toy izay enjehin`ny eritreritra
RIJA08
49.
Mpamosavy milevina amoron-dalana ka mahatateza ny vali-kitsaka
RIJA08
50.
Antitra mampiady kalo ka ny antitra antitra ihany
RIJA08
51.
Maika ohatran`ny boka hanambady kanefa ny tanana hanatsofohana peratra aza tsisy
RIJA08
52.
Tambanivohitra nahita fiaramanidina ka na mafy aza ny fiainana tsy maintsy mitraka ambony ihany
RIJA08
53.
Indroa nahita ny maizina otran`ny tain`omby natsentsina an-davaboalavo
RIJA08
54.
Boka manasa fory ka na tanana hikosoka aza tsisy
RIJA08
55.
Boka nisambotra valala, raha azoko iny ataoko manemaniny.
RIJA08
56.
Noetanin-pitia ka nikitika nonon-drafozana
RIJA08
57.
Mivindavinda otran`ny fory voalely maraina
RIJA08
58.
Rafotsy be kenda-bomanga ka napangain`ny zava-bitany
RIJA08
59.
Vakinankaratra mihinana ovy ka samy mihinana ny voa-poriny
RIJA08
60.
Gila maso manao firaisana ara-nofo ka tsy fantatra intsony na torana na mahazo fafiny
RIJA08
1
2
3
4
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0104