Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
61.
Fia foririn'ny Mahavatsy ze afara tsy mahatsatsy!
FatikyRaketa
62.
Bokobokon'ny Besakoa ze fa nihina tsy homa koa!
FatikyRaketa
63.
Tantely bingo lavaky, tsy hay ty tsy bingo tanà!
FatikyRaketa
64.
Ingo kea ty raike hoe, hoy ty nitimpo
FatikyRaketa
65.
Tsobokonim-bobaka tsy veraverain-jaza mataho biby
Tsipakay
66.
Izay mazoto manompo tsy very anjara
Tambanivohidahy
67.
Ny fanambadiana toy ny jiafotsy, vao tsy ialan-kasokasoka, tonta tsy ialan-dromoromo
aivetinakely
68.
Manalasala ohatry ny henjehin'ny alika banga.
GABDAS414
69.
Tohin'ny falafa ny raty !
Fa_Yzel
70.
Vahinin’ny Andriamora, variana nitazana ny tsy ho azony akory. Ny Andri-Fara : 03.07.2000
SANAKERIB
71.
Fitia miorina an-daba-pako, ka anjakan’ny adala. Ny Andri-Fara 05.09.2003
SANAKERIB
72.
Zavozavo sy herika, amin’ny soa miara-mandina, amin’ny ratsy miara-basoka.
nirihaja
73.
Aleo miadan-ko reniny toy izay mitsatsaingoka ho vantony
aivetinakely
74.
Ny tody itsy misy, ny atao koa miverina
Fa_Yzel
75.
Boka be fankasitrahana ny tanana hanolotra tsy misy fa ny fo no atao tsara laza ho faly.
aivetinakely
76.
Mpivaro-drano tratr'orana sady vizaka no maty antoka.
aivetinakely
77.
Raha tsara vady sady tsy mandray ravin-dena tsy mety manana kisoa tsara
aivetinakely
78.
Trafon-kena ambony ravina, ny manindry malemy, ny tsindriana malemy
hery
79.
Ny tsiny sy ny tody dia arofanina tsy ianjerana amin'ny fanjakan'i Baroa
piratekcan
80.
Boka mangalatra voatavo, mifampitolona samy malama
aivetinakely
81.
Ny fanambadiana toy antsapaka , ao ny mahazo ny trafony ao ny mahazo ny rambony
aivetinakely
82.
Rehefa tonga ny amalom-boasira, tsy manan-kavana afa-tsy ny maty
aivetinakely
83.
Ny akoho no tsy nanidina , tsy nahandry ny andro zoma
aivetinakely
84.
Mitangorongorom-poana toa voangory ho ritra
hery
85.
Tsy misy mahay milatro tahaka ny dokotra, fa rehefa taitra mirifatra ihany
Mbolahasy
86.
Aleo mamoy iray alina hitsaboana; toy izay ivoahana an'hetsiny mandevina!
mltfm
87.
Midodododo amin-doza tahaka ny omby hatao afana
hery
88.
Be fandrahonana ohatra ny ampanga, mbola any an-tany dia mamonkona totohondry!
hery
89.
Vady tsy tiana ianteherana tany ikafarana ilevenana.
Tambanivohidahy
90.
Mananjara izay mahasahy, fa ny tsy fanànana efa ho lava.
Tambanivohidahy
1
2
3
4
5
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0134