Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe ahandro
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
ahandro
Hampiditra ohabolana
-29.
Ahandro mahia mila menaka, raha matsatso mila sira, raha tsara tsy mila dera.
Makoah
-28.
Izay manan-tsira,mahay mahandro.
Ny_Arlinah
-27.
Ahandro an-tane, trea tsy ilove, bae an-kandry trea tsy harefe
Momake
-26.
Ilay Kamo mivady : ny lahy matory maraina, ny vavy manao be fahandro : tafahaona ny adala roa.
yveratsimb
-25.
Ilay nahandro vato : raha ny rony dia masaka
yveratsimb
-24.
Ilay nahandro vato: raha ny rony dia masaka
yveratsimb
-23.
Ny zoto ahandroana, ny laina itonoana
yveratsimb
-22.
Fofon'ahandro ny aina, raha sokafana dia lasa
yveratsimb
-21.
Manan-tsira ka mahay mahandro.
niryna
-20.
-Indray mandeha no manana patsa indray mahandro ka milaza tsy orin-daoka
danbal
-19.
Mahandro manao mantamanta, mitono manao lozidozitra, ka ny atao ihany no mankarary.
danbal
-18.
"Ny manta ambilany mila mpahandro, ny masaka an-tokonana mila mpandoatra, ny voaloatra an-dovia mila mpampandroso."
soanja
-17.
Izaho angaha no nahandro ny tsaramaso no ikentronketronana?
soanja
-16.
Vinantovavy mahandro saonjo ka maty fosa hoe tsy te-hanome.
aivetinakely
-15.
Izay manan-tsira mahay mahandro
aivetinakely
-14.
5zay manatsira mahay mahandro.
niryna
-13.
Ny manana omby manana hena, ny manan-tsira mahay mahandro, fa ny manana olon-kendry manana ny ho mpitondra firenena.
aivetinakely
-12.
manakodi-by, mahandro fanjaitra: voky ihany fa manevitevika
latina
-11.
Manan-tsira ka mahay mahandro
latina
-10.
Aza mahandro hena tsy misy anarana
McFy
-9.
Aza mahandro hena tsy fantatra anarana
jentilisa
-8.
ny fofony no anjarany tahaka ny banga nahandro hoditra.
jentilisa
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0887