Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe aman-dReny
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
aman-dReny
Hampiditra ohabolana
-29.
Ny ankizy no tia tsapa fatana, ny Ray aman-dReny no tia tonotono.
patrickmjk
-28.
ny vary tsy fotsy adidiny laona, ny zazaka adala adidiny Ray aman-dReny
Benjamadagasikara
-27.
Raha zanaka tsy hanaja ray aman-dreny, miteraha hahita
OZ16
-26.
Ny zaza mihanta amin-dray aman-dreny saro-miory
yveratsimb
-25.
Ny hitsikitsika tompon’ny dihy, ny Vivy tompon’ny rano, ary ny ray aman-dreny no tompon’ny fitenanana
yveratsimb
-24.
Zanaka sy ray aman-dreny, tambazako izay mahafoy.
aivetinakely
-23.
Akanga miara-dia, tsy fantatra izay ray aman-dreny.
aivetinakely
-22.
ny zanaka mahafoy ray aman-dreny fa ny ray aman-dreny tsy mahafoy zanaka
mnm
-21.
Ny anan-dRay aman-dReny hono hoe toy ny tsipak'ombilahy ka raha mahavoa mahafaty fa tsy mahavoa kosa mahafanina.!
sylvoalias
-20.
Ny ana-dray aman-dreny hono hoe toy ny tsipak'omby lahy, ka raha mahavoa mahafaty fa raha tsy mahavoa kosa mahafanina.
sylvoalias
-19.
Raha zanaka no tsy tia ray aman-dreny, miteraha mba ahita
niryna
-18.
Raha zaza tsy tia ray aman-dreny, miteraha mba ahita
niryna
-17.
Ny ana-dray aman-dreny dia toa ny tsipak'ombalahy, raha mahavoa mahafaty raha tsy mahavoa mahafanina
niryna
-16.
Ray aman-dreny sy zanaka, tambazako izay mahafoy.
aivetinakely
-15.
Izay tsy tia ray aman-dreny no mitsipa-doha laka-nitàna.
aivetinakely
-14.
Ny maty ray aman-dreny toro vato nandiavana, ny maty zoky folaka andry niankinana
aivetinakely
-13.
Toy ny ray aman-dreny: ny iray niteraka, ny iray niampofo.
latina
-12.
Ny tehina entin-dray aman-dreny, ny teny entin-joky, fa ny entana entin-jandry
marozevo
-11.
Ny ray aman-dreny no masoandro amam-bolana ka lolohavina eo an-tampon'ny loha
JMR
-10.
Ny anadray aman-dreny toy ny tsipak'ombalahy, raha tsy mahavoa mahafanina fa raha mahavoa mahafaty
mandrindra
-9.
Toy ny ray aman-dreny : ny iray niteraka ny iray niampofo
hery
-8.
aza mahafotsy rora miteny ny ray aman-dreny.
jentilisa
-7.
Ny zanaka mahafoy ray aman-dreny, fa ny ray aman-dreny tsy mahafoy zanaka
JMR
-6.
ny ankizy no manao ny tsy mety ka ny ray aman-dreny no afa-baraka
jentilisa
-5.
Izy mivady no misaraka, ny ankizy no kamboty velon-dray aman-dreny.
jentilisa
-4.
Raha zanaka tsy tia ray aman-dreny, miteraha mba hahita
McFy
-3.
Tsy misy Ray aman-dReny manolo-bato mafana ny zanany
vale
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0263