Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe amboa
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
amboa
Hampiditra ohabolana
-29.
Tapa-pary nafiko amboa, antanana maharombaka (ohabolana antakarana)
Horista
-28.
Vovoan'Amboa,tsy hery fa tahotra
Jj.be
-27.
Aza mihomehy amboa mahia mba tsy hibozan'ny volony
tsara_ny_marina
-26.
Ny fanatenana toy ny gitara vao namboarina ka raha maneno dia maravoravo.
Nassa
-25.
"Tsy misy mahay maka fofo-pofona mihoatra ny amboa fa rehefa tojo fofo-kelika mitsoaka matanjaka"
vonjygildas
-24.
Magnaza soliky ambararay ko malaiky amboa miriorio
andrinirinagermain48
-23.
Lanonana ity fa ny amboa no ambeno
raz_sylvio
-22.
Amboa mivahiny an-tany tsy fantatra, tonga tsy misy mpitsena, lasa tsy misy mpanatitra, atoandro tsy misy mpangoraka, harivariva misy mitoraka.
oely89
-21.
Aza manao fihavanan'amboa ka taolana iray no isarahana.
tolozah
-20.
Amboa mitsilany,tsy hanin'ny namany.
NIAINATOKY
-19.
Torovok' amboa maro mahalala, fa ny fisafeliky ny rambony no tsy fantatra
yveratsimb
-18.
Lava hadalana ohatra ny valalan' amboa : kely mitsipaka, lehibe mandady
yveratsimb
-17.
Mahita amboa miady taolana ka mahatsiaro ny hena fony nandro
yveratsimb
-16.
Amboalahy miandry embok' akondro: andrasana tsy latsaka, ilaozana toa hena
yveratsimb
-15.
Amboa homana ondry, ka ny fo no manefa
yveratsimb
-14.
Misavoamboana hoatran'ny tay entin-driaka
danbal
-13.
Ny tsy anapenana sy amonoana ny lĂ lamboahangy hono, tahotry ny hanan-tsiny amin'ny Mpahary sy ny mpiara-belona.
mianjy
-12.
Ny tsy anapenana sy am0onoana ny lĂ lamboahangy hono, tahotry ny hanan-tsiny amin'ny Mpahary sy ny mpiara-belona.
mianjy
-11.
Vilany borin'Amboatany;ariana tsy foy,avela manebaka ny trano
niryna
-10.
Mihanton-kariva hoatra ny salakan'Amboatany.
soanja
-9.
Vilany borin'Amboatany: ariana tsy foy, avela manebaka ny trano.
soanja
-8.
Fitiavako trandraka tsy hibabiako amboa. (Ohabolana BETSIMISARAKA)
soanja
-7.
Te-hoderain'ny amboa ka mikiky taolana tsy misy nofony.
soanja
-6.
Fihavanan'amboa ka ravan'ny taolana iray.
soanja
-5.
Ny akanga maro tsy vakin'amboa.
soanja
-4.
Fiarin amboa lahy antitra ka aleo lo toy izay ho ankavana
kiriah
-3.
Hano, kaikero! tsakotsakoy, raha resin'io ialahy tetitetehiko, avalako rano, omeko ny amboa, fa raha mahery rahavako voahangy, ividianako lamba, babeko maraina, tantanako hariva! Ndrofy lahy e! - Ireto teny fampiadiana angely fahizay.
soanja
-2.
Izay vadana dia kary, na amboako na amboan'olona.
soanja
-1.
Ondry bobo fanenjik'amboa.
soanja
0.
Ny mita-be tsy lanin'ny mamba ary ny akanga maro tsy vakin'amboa..
sylvoalias
1
2
3
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0221