Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe vavan
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
vavan
Hampiditra ohabolana
-29.
Sahobakaka mijery fitaratra, ka tonga dia vavany
Azrael666
-28.
Tsy ahoanao inona izay vavan'olona any, zory andeha amin'ny fahamarinana hatrany ny fiainanao dia ampy
niryna
-27.
Tsy misy ny kamo ambinina,fa ny hatsembohan'ny tavanao ihany no ihinanan'ny vavanao.
Ny_Arlinah
-26.
Ombilahy tsara feo, ka ny vavany no mahalafo azy
nestorktv
-25.
Ombilahy isangodinan'ny menarana, ka raha omby ny vavany tonon'andro ny ho faty.
aivetinakely
-24.
Tsy ny tany no fady, fa ny vavan'ny olona
yveratsimb
-23.
Ny teny rehetra izay avoakan'ny vavanao no andraikitra lehibe ao aminao
niryna
-22.
Tsy ny aty ivelany no hitarafana ny olona fa ny teny avoakany ao anatin'ny vavany
niryna
-21.
Sahona miarahaba bibilava, ka lozan'ny teny avoakin'ny vavany.
sylvoalias
-20.
Izay mahambim-bava no miaro ny ainy; Fa izay vavana dia haringana
niryna
-19.
Aza mitari-bato vilam-bava, ny tondroin'ny molony hafa, ny lazain'ny vavany hafa
niryna
-18.
Avy amin'ny vavan'ny olona no fifaliana ao anatiny, araka ny fitiavana ao anaty no ahafahanao mitia
niryna
-17.
Tsy ny tany no fady fa ny vavan'ny olona
niryna
-16.
Toy ny haloky ny tarehy eo amin'ny rano ny fo, izay havoakan'ny vavanao no maha hianao anao.
niryna
-15.
Lasanko-vavany toy ny haron-tabebaka
rtol
-14.
Izay miambina ny vavany sy ny lelany dia miaro ny fanahiny tsy ho azom-pahoriana
niryna
-13.
Raha adala ka nanandra-tena hianao, na efa nisaina ny hanao ratsy.Dia tampeno ny tananao ny vavanao.
niryna
-12.
Sokafy ny vavanao, ka tsarao marina.Ary omena ny rariny ny ory sy ny malahelo.
niryna
-11.
Vavan-kisoa misy sira, tokinao hihinana azy.
aivetinakely
-10.
Mpitari-bato vilam-bava hafa ny tondroin'ny tanany hafa ny tondroin'ny vavany
doum
-9.
tsy maty vavany tahaka ny anjombona : mandraka ny efa babo ka mbola izy indray no avo feo
jentilisa
-8.
lasan-ko vavany toa haron-tabebaka
jentilisa
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0303