Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana, anaty sokajy
ady
Hampiditra ohabolana
61.
Malailaim-pihavanana va hianao ?
niryna
62.
ketsa va aho ka ho antitra iray taona ?
niryna
63.
Ampingam-pihara-bolamena sy tahonanganalam-bolafotsy : izay maharesy iravahana, izay mananda isampinana
ontsy
64.
Ny vy tsy mikitrana irery.
niryna
65.
Mody hoe tsy miady, tsy miady kanefa ny kobay akelika ihany.
niryna
66.
Raha ambaka samy lela, avelao hikipaka
latina
67.
Ady misy hena, ka izay mamoy no liana
latina
68.
Atody tsy miady amam-bato
latina
69.
hendry miady amin'adala, ka havizanana no hita
latina
70.
Ady amin'adala ka ny hendry no miala
latina
71.
Ady tsy ahi-mahatratra
latina
72.
Ny ady tsy tra-mahahery vava
latina
73.
Mitolona am-batolampy ka izay ratsy fihazona no vaky loha
latina
74.
Mitolona anaty rano ka samy lena
latina
75.
Mitolona am-bovon-tany, ka samy mavo
latina
76.
Ny ady volom-balala: ka izay tia azy ihany no ditsoka
latina
77.
Tsingala sy dinta: raha miray trano loza, ary raha mifanaikitra, atambo.
latina
78.
Isika roalahy toy ny vato falia sy ny vanja: ka isaky ny mihaona mitselatra ihany
latina
79.
Tsy mba haikaika hifanaovana ity, fa tsontsori-mamba hisarahana
latina
80.
Mifankatia tsy mifamarafara, ady no farany
zouzou
81.
Mitranga matetika tahaka ny adin'ny mpivady
jentilisa
82.
Izay tsy miady olom-bodo, izay to fo mamosavy.
jentilisa
83.
tantanana sy riandriana ka tsy matahotra izay hifandona.
jentilisa
84.
Raha ny mamba sy ny voay no miady, dia aoka hifandramatra; fa tsy salaka ho tapaka, ary tsy lamba ho rovitra.
jentilisa
85.
Nify sy molotra, ka ny mahery no afaka aloha
hery
86.
Tsy miady sahala, ka hiady, hisy resy
hery
87.
Izay tsy miady olom-bodo, fa izay to fo mpamosavy
JMR
88.
Ady vomangan'i Kirijavola ka tonga dia ny voamasony no potsirina (Ady voay ama-mamban'i Kirijavola ka avy dia ny voamasony no potsirina)
hery
89.
aleo mifanao sarotra hihavanana amin'ny ela toy izay mifanao mora hiadiana amin'ny farany
jentilisa
90.
Tsingala sy dinta; raha miray trano loza, ary raha mifanaikitra, antambo
McFy
1
2
3
4
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0735