Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana, anaty sokajy
finoana
Hampiditra ohabolana
31.
Manao ho akan'ny alina, ka misavily sandry maizim-bolana
niryna
32.
Aza menatra ny finoana; nefa koa aza menatra ny fo noana
ilanto
33.
Kristianina marina, fa na ny rano ho sotroiny aza isaorany ny Tompo!
ilanto
34.
Toy ny sikidy saka:ny fo iray ihany, fa ny loha no samy hafa
niryna
35.
Manao an'Andriamanitra tsy hisy ka mitsambiki-mikipy
niryna
36.
Ny maty no tsy alevina Alakamisy sy Alahady;ny velona no tandrovina
niryna
37.
Ny maty no tsy alevina Alakamisy sy Alahady;ny velona no tandrovina
niryna
38.
Ny faniriana tsy takatry ny vintana
latina
39.
Sendra mandalo Ramaka, ka may ny tanĂ na
latina
40.
Tafitohina mandon-tavy ka merika ny andro
latina
41.
Ingorofotsy mitono sahondra, ka bokan'ny nataony
latina
42.
Ny papelika no maro vava, mitana ny hafatry ny ntaolo
latina
43.
Tarehy ratsy nataon-janahary, ka tsy vanon-kisaronan-doha.
latina
44.
aza mandika ny soan-janahary
latina
45.
aza manao vava azon'Andriamanitra
latina
46.
Tsy mandidy alohan'andriamanitra aho, fa izay zara-vintana lolohavina.
latina
47.
Za mandidy alohan'Andriamanitra toy ny mpanotrika akoho.
latina
48.
Na dia manarona akoho aza, raha mby amin'ny omen'Andriamanitra dia manana.
latina
49.
aza manao an'Andriamanitra azo am-po mandrakariva.
latina
50.
Mandeha irery, sahalain'andriamanitra, mandeha roa, sahalain'olombelona
latina
51.
Ny iray tahitathin'olombelona, fa ny iray tahitahin'andriamanitra
latina
52.
Ny tany vadiben-janahary: mihary ny velona, manotrona ny maty
latina
53.
Andriamanitra tsy an'ny irery
latina
54.
aleo meloka amin'olombelona, toy izay meloka amin'Andriamanitra
latina
55.
Andriamanitra tsy tia ratsy
latina
56.
Avo fijery ny andriamanitra, ka mahita ny takona
latina
57.
Tsy mandidy alohan'Andriamanitra aho, fa izay zara-vintana lolohavina
tia
58.
Rafotsibe nita rano izay mahasoa ataon'Andriamanitra
zanita
1
2
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.021