Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana, anaty sokajy
finoana
Hampiditra ohabolana
31.
Sendra mandalo Ramaka, ka may ny tanĂ na
latina
32.
Tafitohina mandon-tavy ka merika ny andro
latina
33.
Ingorofotsy mitono sahondra, ka bokan'ny nataony
latina
34.
Ny papelika no maro vava, mitana ny hafatry ny ntaolo
latina
35.
Tarehy ratsy nataon-janahary, ka tsy vanon-kisaronan-doha.
latina
36.
aza mandika ny soan-janahary
latina
37.
aza manao vava azon'Andriamanitra
latina
38.
Tsy mandidy alohan'andriamanitra aho, fa izay zara-vintana lolohavina.
latina
39.
Za mandidy alohan'Andriamanitra toy ny mpanotrika akoho.
latina
40.
Na dia manarona akoho aza, raha mby amin'ny omen'Andriamanitra dia manana.
latina
41.
aza manao an'Andriamanitra azo am-po mandrakariva.
latina
42.
Mandeha irery, sahalain'andriamanitra, mandeha roa, sahalain'olombelona
latina
43.
Ny iray tahitathin'olombelona, fa ny iray tahitahin'andriamanitra
latina
44.
Ny tany vadiben-janahary: mihary ny velona, manotrona ny maty
latina
45.
Andriamanitra tsy an'ny irery
latina
46.
aleo meloka amin'olombelona, toy izay meloka amin'Andriamanitra
latina
47.
Andriamanitra tsy tia ratsy
latina
48.
Avo fijery ny andriamanitra, ka mahita ny takona
latina
49.
Tsy mandidy alohan'Andriamanitra aho, fa izay zara-vintana lolohavina
tia
50.
Rafotsibe nita rano izay mahasoa ataon'Andriamanitra
zanita
1
2
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0809