Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana, anaty sokajy
namana
Hampiditra ohabolana
1.
Ny tena fitiavana tsy sento ka hoe miserana fotsiny ihany.
Maminirinaheryz_
2.
Ny naman-kanírina manjàry havana, ny naman-kandrendrika tonga fahavalo.
Maminirinaheryz_
3.
Misovoka ohatry ny lohan-gisa.
soanja
4.
Gisalahy lasa namana ka ny sisa mihiaka ihany.
soanja
5.
Ny tena namana dia izay mahafantatra anao ary mbola mitovy foana ny fitiavany anao
niryna
6.
Ny tena namana tsy miraharaha na tsy mitovy aza ny ba kiraronao
niryna
7.
Aza mifonoka amban'ny maimbo
niryna
8.
Aza mitangorina ohatran'ny voangory ritra
niryna
9.
Ny mandeha irery salahain'Andriamanitra, ny mandeha roa salahain'olombelona.
aivetinakely
10.
Lazao ahy ny namanao ahalalako ny toetranao
niryna
11.
Aza manao toy ny ranon'Ikopa, tonga namana vao mavomavo.
aivetinakely
12.
Aza ny namanao no ifaninananao fa ny tsara vitanao omaly.
aivetinakely
13.
Izay mandeha roa salahain'olombelona, ny mandeha irery salahain-Janahary.
aivetinakely
14.
Ny roa no tsara noho ny iray; raha lavo, misy mpanarina.
niryna
15.
Roa lahy mian'ala, izy tokiko, izaho tokiny.
RALANTO
16.
ny sakaiza tsara manoatra noho ny rahalahy
jentilisa
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0118