Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana, nampidirin'i
doum
Hampiditra ohabolana
181.
Rafotsy be mita -tatatra ka manokatra ny efa mikombona
doum
182.
ANtitra mampiady kalo ka ny antitra antitra ihany
doum
183.
Raha zaza no tsy hilalao modia ho tanora, raha tanora no tsy handihy modia ho antitra raha antitra no tsy hampiady kalo, modia ho razana, raha razana no tsy hitahy mifoha hiady vomanga
doum
184.
Tsy miady tsy miady, ny kibay akelika ihany
doum
185.
Ramaka nandalo ny tana-may
doum
186.
Ataovy toy ny ady vomanga ny kirija vola tonga de ny voamasony no potsirina
doum
187.
Raha lava ny ahitra very ny kisoa ary raha lava ny resaka very ny soa
doum
188.
Teny maro tsy hilaozan'ota
doum
189.
Aleo mifanena @mpamosavy toyizay mifanena @mpandainga
doum
190.
Varivarin'ny lavitra ka tsy mahita ny ambany maso
doum
191.
Ny hendry mody voky fa ny adala manesika ihany
doum
192.
Ny nenina tsy eo aloha hananatra fa ao aorina handatsa
doum
193.
Akoho lahy fahavaratra ka rebarebany ihany
doum
194.
Tambatambazo ny mpamosavy hameloman'anaka
doum
195.
Rafotsy be very laona ka miandry izay higadonany
doum
196.
Tanora ratsy fihary ka antitra vao ratsy laoka
doum
Voalohany
Mialoha
3
4
5
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.6643