Izay maharitra vady handriana
Sokajy: fanambadiana
razooz 28/11/2005 07:08

Hametraka hevitra

Midira aloha

Hevitra mandeha

Tia_ery ( 06/02/2006 03:49)
Ny ohabolana angamba no tsara fotorina kely ny tena heviny. Ny ohabolana mazàna dia misy lafin-kevitra roa samihafa ary samy hafa nefa mifameno tsara ary ahitana ilay fahendrena malagasy. Fanazavana ara-tantara sy fomba amam-panao no nentina nanazava an'ilay hoe ''izay maharitra vady handriana'' dia nentina nilazana fa izay maharitra izany dia any no mandry ny lehilahy manambady maro!!! Izay tokoa ve no heviny sa misy hevitra fonosiny hafa.

Ny hoe ''izay maharitra vadin'andriana'' io dia maneho fahendrena tsara fototra satria mampiseho fa tsy izay rehetra miseho akory dia kanto sy raitra ka mila ny FAHARETANA izay tena miteraka ZAVA-TSOA ho an'ilay iray. Nampiana t@'ilay teny hoe ''ny vodi-tsobika aza mana-tandrify'' izany hoe tsy dia any amin'ilay hevitra ara-tantara teo no tena hevitr'io ohabolana io. Satria ihany koa ny tohin'io ohabolana io dia ny hoe ''f'izay tsy maharitra vadin'ikotokely''
razooz ( 28/11/2005 07:11)
Taloha ny lehilahy dia manana vady maro. Teteziny ireo vadiny ireo ka any amin'izay mahandry amin'ny farany izy no matory. Izay no nahatonga ny hoe [b]Izay maharitra vady handriana[/b] Fa tsy hoe [i]Izay maharitra vadin'Andriana[/i]
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0642