Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe Tono
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
Tono
Hampiditra ohabolana
1.
Ny ankizy no tia tsapa fatana, ny Ray aman-dReny no tia tonotono.
patrickmjk
2.
Ombilahy isangodinan'ny menarana, ka raha omby ny vavany tonon'andro ny ho faty.
aivetinakely
3.
Ny zoto ahandroana, ny laina itonoana
yveratsimb
4.
Tono lavi-tompo, naho tsy manta, forototo.
Momake
5.
Mahandro manao mantamanta, mitono manao lozidozitra, ka ny atao ihany no mankarary.
danbal
6.
1/ Jaolahy nitombohom-bàviny, resy amin'ny fitiavagna 2/ Jaolahy nitomboko tomboay, tsy mahay fa kafiry 3/ Jaolahy nitombo-bosy, vatany fagnefany 4/ Agnomby mahia tsy lelafin'ny namany 5/ Namono agnomby, nitono kobantigny, tavin-draha samby isany
SEVAMBONY
7.
Magnigny akô tono adrao tsy masaky!(Ohabolana Antemanambondro)
tomms
8.
Beloha mandeha an'ady ka mitonon-tena amin'ny tsy antony.
soanja
9.
Sisi-hazon' Antanamalaza, mahitsy ihany fa tonotononana; sisi-hazon'Antananarivo, sady soa no arahim-bankona.
soanja
10.
Ragnalahy nitono voamaho: azon-tsaoka an-dragno. (Ohabolana BETSIMISARAKA)
soanja
11.
Tono lavi-tompo; ka tsy may, manta.
soanja
12.
Banga mihinan-trafon-kena ka lasa tsy antonontonona.
soanja
13.
Bangaridana homan-Katsaka voatono hoe ka :ny hanina katsaka, ny avoaka dia mbola katsaka ihany
sylvoalias
14.
Ny antonony sarotra ilaina
niryna
15.
Aza mitono tena tahaka ny lolofotsy.
aivetinakely
16.
Raha voatonona ny sola, mahimahina ny maza ray
aivetinakely
17.
Lolo fotsy mitono tena ka matin'ny nahim-pony
latina
18.
banga sendra vomanga, ka mifanena amin'ny antonona azy
latina
19.
Ingorofotsy mitono sahondra, ka bokan'ny nataony
latina
20.
Hikapa hahita ny tonony, handidy hahita ny vaniny anie ianao!
jentilisa
21.
ny honohono mahakila ny natono sy mampandroatra ronono.
jentilisa
22.
Ny antonony sarotr ilaina
McFy
23.
Lolo fotsy mitonon-tena ka matin'ny nahiam-pony
McFy
24.
Mitono tena toa lolofotsy
vale
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0518