Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe akanjo
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
akanjo
Hampiditra ohabolana
1.
Maivan-tsaina tahaka ny angidina, akanjo manify no enti-mirehareha.
aivetinakely
2.
Akanjon-goaika, ka vita fony kely.
soanja
3.
Aza manao kary mindrana akanjo.
soanja
4.
Ny làlana misy sisiny, ny akanjo misy sosony, ny kidoro misy sesiny, fa ny teny misy sasiny!
Razatovo
5.
Belamaody tsy ampy sakafo ka aleo miakanjo toy izay noana.
ZEMJOS
6.
Rafotsibe nisika fary, ka ny natao hanamando ny tenda no nikiky ny akanjon'ify.
aivetinakely
7.
Ny zanaka toy ny tanan'akanjo:atsipy, eo an-damosina;asavily ao an-damosina ihany
niryna
8.
Kely fisaky(bota-kely), agnaty posin'akanjo, lavitsy ny maso fa agnilan'ny fo.
sylvoalias
9.
Ataovy fitia lamba sy akanjo, sady itafiana no kolokoloina.
ilanto
10.
Rafotsibe misika fary, ny natao hahamandomando ny tenda indray no nampiendaka ny akanjon'ify.
aivetinakely
11.
Ny lasa toy ny vozon'akanjo hitodihan-tsy hita nefa manaragarana aoriana ihany
Dadamaintso
12.
Indimy mahita maizina tahaka ny jamba miakanjo mainty, manao solomaso mainty, mandeha ao anaty tonelina amin' ny andro alina
fek
13.
Salasalany toy y akotrilahy : arahabaina tsy andriana, avela miakanjo jaky.
mandrindra
14.
Mpandihy miakanjo halatra ka mitotorebika amin-doza; mpitsinjaka manao lamba indrana ka manome voninahitra ny tompony.
mbelo
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0937