Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe aloa
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
aloa
Hampiditra ohabolana
1.
Eka le hoy rahay Bekimpay, aloanay fa raha nihanin'anakay!
FatikyRaketa
2.
Tapa-tenda ohatra ny mpampiasa jiro tsy nahaloa vola.
oely89
3.
"Ny manta ambilany mila mpahandro, ny masaka an-tokonana mila mpandoatra, ny voaloatra an-dovia mila mpampandroso."
soanja
4.
Tapia ka iray no hanina fa telo no aloa.
soanja
5.
Mandoa in-droa tahaka ilay marary vavony mankany amin'ny dokotera, ny aretina efa mampandoa, ny vola tsy maintsy haloa
Bocassa
6.
Ny anatra hono hoe toy ny voankazo an'ala ka ny mamy atelina fa mangidy kosa aloa.
sylvoalias
7.
Lany fika toy ny banga mitsako valala, haloa: moa ny raha matsiro, hatelina : matahotra sao kenda.
sylvoalias
8.
Vato ateli-mamba aloa tsy miova loko, atelina tsy mba lo
aivetinakely
9.
Aza manao fierin-kanin-jaza, ny an-tanana ariana, ny am-bava aloa
niryna
10.
Aza manao fierin-kanin-jaza: ny an-tanana, ariana, ny am-bava aloa.
latina
11.
Aza manao sahala @ jamba mangery amoron-tevana ka latsaka aloan'ny tainy
fotaka
12.
Ataovy toy ny voankazo an'ala, ny mamy atelemo, ny mangidy aloavy.
jentilisa
13.
Ny alika no miverina amin'ny naloany
JMR
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.4693