Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe ampian
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
ampian
Hampiditra ohabolana
1.
Manaova soa ampiantany, fa misy hiankinana ; ary manaova soa vato, fa misy hipetrahana.
yveratsimb
2.
Ny fahadalana no mampianatra ny fahendrena.
niryna
3.
Ny soa fianatra,ny lasa no mampianatra ny ho avy .
niryna
4.
"Aleo sakafo anana hampian-tsetsetra toy izay omby mifahy asiann-dromoromo" Aleo ny kely omban'ny fahamarinana toy izay harem-bevava azo amin'ny tsy rariny"
mpoon
5.
Raha mety ny atao, ny saobakaka aza mampidi-dranoketsa, fa raha tsy mety kosa ny atao, ny tain'omby aza mampianjera
niryna
6.
Izay manabe lehilahy, mitaiza olona iray, izay mampianatra vehivavy, manabe vahoaka alin-kisa.
aivetinakely
7.
Fady fotsy toa oman-dronono, tsy mainty milalao saribao, fomba fiteny raha hialatsiny ny mpikabary dia azo raisina ao anaty voabolana io, ary mampiango azy mihintsy ary rehefa tonga ny ainga eo amin'ny lafiny kabary
RTsongy
8.
Ikopa no renirano malaza, ampian'ny tatatra arivo saha, ny foto-kazo no midoroboka, ny sampany sy ny rantsany no misandrahaka.
aivetinakely
9.
Raha mety ny atao, ny sahobakaka aza mampidi-dranoketsa, raha tsy mety ny atao, ny tain'omby mivadika aza mampianjera
niryna
10.
Raha tsara ny atao, sahobakaka aza mampidi-dranon-ketsa, raha ratsy ny atao, ny tain'omby mivadika aza mampianjera
niryna
11.
Zanak'omby tsy ampianarin-domano, zanak'andriana tsy ampianari-mikabary
aivetinakely
12.
Ny zanak'omby tsy ampianarin-domano, ny andriana tsy ampiantin-kabary
latina
13.
Manaova soa ampiantany, fa misy hiankinana, ary manaova soa vato, fa misy hipetrahana.
latina
14.
Ory ampiana toa vehivavy rafy
jentilisa
15.
ny zanak'omby tsy ampianarin-domano.
jentilisa
16.
Manaova soa ampiantany, fa misy hiankinana; ary manaova soa vato, fa misy hipetrahana
Fanja1
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0842