Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe amponga
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
amponga
Hampiditra ohabolana
1.
Raha torimaso tsy taitran'ny amponga, fohazy ihany sao nodimandry.
seul110
2.
Aza atao fively amponga ny havana : ka ny iray am-baviny tambatambazana, ary ny iray kosa an-dahiny hodobodobohana.
yveratsimb
3.
Aza manao tahaka ny vorontsiloza : mikorefarefa tsy ankizivavy, dia izy ihany ; manakora tsy adin'ombilahy, dia izy ihany ; miambozom-boahangy tsy renin-jaza, dia izy ihany ; midoboka tsyampongabe, dia izy ihany.
yveratsimb
4.
Aza atao toy ny fively amponga ny fihavanana ka ny iray ambaviny tambatambazana, ny iray andahiny dobodobohana
yveratsimb
5.
Mandihy maina tsy enin'amponga
soanja
6.
Amponga mihanto amoron-dala hoe ka ze mandalo mandeboky !
sylvoalias
7.
Ny langoroana sy amponga no tsy mitovy feo mifanaraka ary ny kintana sy ny volana no samihafa famiratra mifanotona
velosoa
8.
Aza manao Tanala mahazo amponga
niryna
9.
Ny langoraona sy amponga no tsy mitovy feo mifanaraka, ary ny kintana sy ny volana no samihafa famiratra mifanotrona.
aivetinakely
10.
Raha torimaso, hono, no tsy taitran'amponga, fohazy sao nodimandry, ary raha teny aman-kilontsaina no fonosina tsy hivoaka, tandremo fa sao very hasina
aivetinakely
11.
Ampongaben'ny Mandritsara, tsy niany narignesana
Antanantsimihety
12.
Varotra amponga an-tanana; sady mahare ny feony no mahalany ny vidiny.
jentilisa
13.
Vely ampongan'ny Manendy, ny andahiny dobodobohina ny ambaviny kenakenaina.
jentilisa
14.
Ny manambady ny fohy mitahiry tapak'amponga
JMR
15.
Aza atao fively amponga ny havana, ka ny iray ambaviny tambatambazana, ary ny iray andahiny hodobodohohina
hery
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1542