Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe gara
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
gara
Hampiditra ohabolana
1.
Basy atifikava arangaranga mialoha
IsraelCatz
2.
Toy ny trondro voajono ny mpifoka sigara.Mahita tsirony kely izy,nefa maty avy eo.
tiaviniainagasy
3.
Kely be raharaha toa fangaraka ka ny trano atao, ny feta taomina, ny farara tsofina
Nofy Ny Fitia
4.
Manasa lamba be tseroka : na madio aza, mangarahara.
yveratsimb
5.
Atao fitia garanadrelina, tanora maitso haigon'ny saha, antitra mikaraikona vao tena mamy.
Jetsiera
6.
Basy atifi-kavana ka tsy afenina fa arangaranga
kiriah
7.
Tsingaradona an-tanimena ka tsy matavy fa sesiky ny tsinainy.
soanja
8.
Ataovy toy ny fitia garanadrelina miketrona vao tena mamy
taj
9.
raha ho eny Mahamasina ve tsy hahatsinjo ny anjelin'Anosy, raha mandalo an'Analakely ve tsy hahatazana ny famantaran'andron'ny gara sy Faravohitra.
aivetinakely
10.
Aza manao toy ny famantaranandron'ny gara ka hafa ny ivelany hafa ny anatiny.
aivetinakely
11.
Basy hatifi-kavana tsy atifitra fa arangaranga
niryna
12.
Basy atifi-kavana, tsy afenina fa arangaranga.
aivetinakely
13.
Ny lasa toy ny vozon'akanjo hitodihan-tsy hita nefa manaragarana aoriana ihany
Dadamaintso
14.
Renikely mandoza: samy zanany ihany ka iangarany
latina
15.
Manasa lamba be tseroka, na madio aza, mangarahara
latina
16.
ataovy fahanteran-garana-tsinoa...mikentrona vao maika mamy sy manitra mamerovero
litakelinineny
17.
Basy atifi-kavana ka arangaranga
JMR
18.
Manasa lamba be tseroka: na madio aza, mangarahara
hery
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0317