Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe hendre
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
hendre
Hampiditra ohabolana
1.
Ny fandrantoana fahendrena dia tahaka ny fikororohana vary amin'ny fararano, ka izay mahay manavaka ny tsiparifary amin'ny vary no hahazo be.
Seranary
2.
Fahaizana tsy ombam-pahendrena , tsy henika satro-boninahitra.
aivetinakely
3.
Ny fahadalana no mampianatra ny fahendrena.
niryna
4.
Toy ny kavim-bolamena eo @ oron-kisoa,Ny vehivavy tsara tarehy tsy manam-pahendrena
2N.E
5.
Ny fahendrena dia azo avy amin'ny fahalalana ary ny fahalalana dia azo avy tamin'ny fahadalana
niryna
6.
Raha tsy manana fahendrena ny mpitondra dia hijaly ny firenena,fa raha ny mpanolon-tsaina kosa no tsara dia ho afaka ny tahotra
niryna
7.
Ny alika no miverina amin'ny malotony, ny mpangalatra no miverina amin'ny toerana nangalariny fa ny hendry kosa vao maika mitombo fahendrena
niryna
8.
Ny fahendrena manalavitra ny famboniantena
niryna
9.
Sahona miatrika bibilava, tsy hery fa fahendrena arahin-tahotra.
aivetinakely
10.
Izay rehetra azon'ny tànanao atao dia ataovy amin'ny herinao; fa tsy misy asa, na hevitra, na fahalalana, na fahendrena, any amin'ny fiainan-tsi-hita izay alehanao.
niryna
11.
Ny angady no asesiky ny zarany, ny ny rano atosiky ny vato, fa ny olombelona entanin'ny fahendreny.
aivetinakely
12.
Rehefa antitra dia manoro fahendrena, rehefa tanora dia mandray ilay fahendrena.
niryna
13.
Hianaro ny fahendrena amin'ny alalan'ny adalan'ny sasany
miainga
14.
Ny fahendrena ve ? Minia mitsiky raha mitomany.
niryna
15.
Ny fahendrena dia aren-tsarabidy ka tsy misy na iray aza afaka mangalatra azy
niryna
16.
Sambatra izay olona mahita fahendrena sy mahazo fahalalana
niryna
17.
Ny tsorakazo sy ny hanatra no manome fahendrena
niryna
18.
Raha soa tian-ko tamana hidio fahendrena mba tsy hitsoaka
Moundzee
19.
Mandehana any @vitsika ry ilay malaina jereo ny fanaony ka mba hendre
doum
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0803