Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe mifoha
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
mifoha
Hampiditra ohabolana
1.
"Raha ankizy tsy hilalao mody ho tanora, raha tanora tsy ho jejo mody ho antitra, raha antitra tsy ampiady karajy mody ho razana, raha razana tsy mitahy mifohaza iady Vomanga."
FidinarivoRakotozanany
2.
Mazoto kamo velona sahala amin'ny akoholahy, mba mifoha maraim-be ihany fa mijanona eo amorom-patana.
randriajj
3.
Raha razana tsy hitahy mifohaza iady vomanga
aer0jhony
4.
Tsy hitanareo va ny maty? Tatarobe miefi-damba, misaron-doha tsy ho aiza. Maraina tsy mba mifoha, hariva tsy mba mamindro; tany mena no ambny tratra, rari-vato no an-dani-mandry.
soanja
5.
Tsy mifoha alohan'ny goaika.
soanja
6.
Aza manao vorona azon'adala ka na tsy maty aza, mifohafoha volo
niryna
7.
Ny omby indray mandry hono tsy indray mifoha.
niryna
8.
Aza manao vorona azon'adala ;ka na tsy maty aza, mifohafoha volo.
niryna
9.
Ny olombelona toy ny omby;indray mandry fa tsy indray mifoha.
niryna
10.
Ny olombelona toy ny omby: indray mandry, fa tsy indray mifoha
latina
11.
Omby indray mandry tsy indray mifoha
doum
12.
Raha zaza no tsy hilalao modia ho tanora, raha tanora no tsy handihy modia ho antitra raha antitra no tsy hampiady kalo, modia ho razana, raha razana no tsy hitahy mifoha hiady vomanga
doum
13.
Ny omby indray mandry tsy indray mifoha
JMR
14.
Vorona azon'adala, na tsy maty aza mifohafoha volo
jentilisa
15.
mifohaza dieny malaina fa rehefa mazoto tsy afaka intsony.
jentilisa
16.
Zaza no tsy hilalao mandihiza ho tanora. Tanora no tsy handihy mitafĂ ho lehibe. Lehibe tsy hiresaka midira ho antitra. Antitra tsy hitso-drano, mitahian-ko razana, fa raha razana tsy hitahy mifohaza hiady vomanga
jentilisa
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1047