Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe mipetraka
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
mipetraka
Hampiditra ohabolana
1.
Fotsy volo tsy mahay mikabary ka mipetraka atsangan'ny olona, mitsangana apetraky ny olona.
raonimanana
2.
Raha hijoro mangavoka toa valanirana, aleo mipetraka amin'ny anaran-kazo.
GEHTRIVAC
3.
Ny mipetraka tsy laina, ny mandeha tsy zoto
aivetinakely
4.
Tahaka ny hadi-voanjo ny fanompoana: ka tsy ny momba ny tahony ihany no atao an-karona, fa ny mipetraka amin'ny tany hohazan-tanana koa mba hamenoana ny harona.
soanja
5.
Fady ny mipetraka an-tokonana fa mampitokona ny soa tokony hiditra sy ny ratsy tokony hivoaka.
soanja
6.
Voadinika lava tahaka ny vady vao, mandeha voatsikilo, mipetraka voara-maso.
aivetinakely
7.
Tsy ampihova na inona na inona ny mipetraka fotsiny raha tsy manao hetsika
niryna
8.
Tsy very tadidy tahaka ny voaloham-pitiavana ; mandeha mitadidy azy, mipetraka misento lava.
aivetinakely
9.
Tsy tokony hametraka vatokely eo an-tokontany ireo mipetraka ao an-tranom-pitaratra
niryna
10.
Ny voangaly no maty amin'ny hazotokana, fa ny lehilahy tsy mipetraka amin'ny vehivavy iray.
aivetinakely
11.
Sahala amin'ny sahona: mipetraka, toa lahy antitra, mitsambikina, toa tovolahy
latina
12.
Ny nenina tsy mipetraka hatao Mbay làlana, ary tsy mitsidika hatao Mandrosoa, fa aoriana vao mandatsa.
lanto
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1587