Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana, nampidirin'i
lanto
Hampiditra ohabolana
1.
Aza matoky fitiavana ka hitanjaka imasom-bady.
lanto
2.
Varotra alika tsy ifanerena.
lanto
3.
Mihomehy lavo aza misy todiny.
lanto
4.
Ny kianja no tsy anaovan-dratsy ny lalao mbola ho ela.
lanto
5.
Vilagny misarogna dekoa misy raha.
lanto
6.
Loharano tsy tetezin-doha.
lanto
7.
Aleo maty mitsangana toy izay velon-kandady.
lanto
8.
Adin'ny mpirahalahy ka izay mahavita be no manenina.
lanto
9.
Ny lamban'ny matory irakofan'ny mahatsiaro.
lanto
10.
Aza manao gisalahy homan-ketsa ka ny homana ny an'olona indray no avo feo.
lanto
11.
Aza manendry tena ohatra ny alika ho any an-tsena.
lanto
12.
Malaza ho lahy ka tsy mandry an-efitra!
lanto
13.
Tapi-dalana aleha ohatra ny soki-manani-bato.
lanto
14.
Valala voatango ka very fanahy mbola velona.
lanto
15.
Na amboako na amboan'olona, izay vandana dia kary.
lanto
16.
Ny heloka nilaozana tonga hitsiny, fa ny rariny itompoana tonga raiben-keloka.
lanto
17.
Ny nenina tsy mipetraka hatao Mbay làlana, ary tsy mitsidika hatao Mandrosoa, fa aoriana vao mandatsa.
lanto
18.
Ny nenina tsy aloha fa aoriana.
lanto
19.
Matin-kena-maso, ka mihinam-barim-boka.
lanto
20.
Soa kenda hahay mitsako; soa lavo hahay mamindra.
lanto
21.
Mahery tsy maody tsy ela velona.
lanto
22.
Fy ny toho, fy ny amalona, fa ny lelako tsy ataoko jono.
lanto
23.
Manontany tsy loza, manjohy tsy atambo.
lanto
24.
Ramalina aza mifehy hazo tokana.
lanto
25.
Ny mita be tsy lanin'ny mamba.
lanto
26.
Ny maty aza te-ho maro.
lanto
27.
Aza ny havana no asian-dratsy, fa tsy ho tratry ny hafa tsy akory.
lanto
28.
Aza mandalo tanà-misy havana.
lanto
29.
Aza manao fihavanan'amboa ka taolana iray no isarahana.
lanto
30.
Aza manao fihavan-molotra : tezitra vao mifanantona.
lanto
1
2
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2062