Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe safosafo
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
safosafo
Hampiditra ohabolana
1.
Lahy antitra misafosafo ny rahany...ka mitsetsetra ,mitanisa mahatsiaro ny lasa...
sylvoalias
2.
Ataovy toy ny andry ombin'ilaisalama ny havana,ka ny kely voasafosafo;ny lehibe voatehatehaka
FENOSOA2
3.
Manambady jamba ka ny safosafo no amenoana ny banga
aivetinakely
4.
Ataovy arak'ombin'ilay mora, afara voatoditodika, aloha voasafosafo.
aivetinakely
5.
Ny havana ataovy toy ny andry ombin'ilay mora: ny aloha voasafosafo, ary ny aoriana voatehatehaka.
latina
6.
Raha maratra ny tanana, mitsotsoka ny vava. Raha marary ny molotra, misafosafo ny tanana. Aza mitoto vary fohy loha. Aza manolo-bato mafana ny zaza. Mahery tsy maody hono tsy ho ela velona. Ataovy fisotro ranon'akoho, izay azo kely no andrandraina.
nanapiso
7.
Andry ombin-dRalaimora ny lehibe voatambitamby, ny kely voasafosafo
JMR
8.
Ny havana ataovy toy ny andry ombin'Ilaimora : ny aloha vaosafosafo ary ny aoriana voatehatehaka
hery
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0783