Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana, nampidirin'i
fily
Hampiditra ohabolana
1.
Aleo miadan-koreniny toy izay mitsatsaingoka ho vantony.
fily
2.
Tsy mahatoky saka aho fa trondro no laoka
fily
3.
Tsy misy mamy hoatran'ny zanaka fa rehefa manaikitra ny nono ahifika ihany.
fily
4.
Bevohoka tia tsakotsako ka ny andro iray no tsy tanty
fily
5.
Diavolan-kakafotra ka ny omaly tsy miova
fily
6.
Sola mangery diavolana tsy fantatra izay lohany sy vodiny.
fily
7.
Sola miloloha voatavo ka tafahoana samy malama.
fily
8.
Aleo mifanena amin'ny mpamosavy toy izay mifanena amin'ny mpandainga.
fily
9.
Manao fahanteran' alika antitra vao misarigaigy.
fily
10.
Mason-tsokina ka izay kely hananana no hahiratra.
fily
11.
Aleo ravim-bomanga arahin-tsetsetra toy izay henan-kisoa arahin-dromoromo.
fily
12.
Very fanahy mbola velona toy ny valala voatango.
fily
13.
Vero notangainam-pody tsy folaka fa mandefitra
fily
14.
Akohokely miambozona tady mahazaka ka mizaka ny tseran'ny aina.
fily
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0676