Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana, nampidirin'i
zouzou
Hampiditra ohabolana
1.
Aza manao hata-dava ohatran' ny saka
zouzou
2.
Valala an-tany mena, na dia tapaka elatra aza, tsy lany paika
zouzou
3.
tsy mangalatra manana adidy ohatran'ny fangala-bola
zouzou
4.
Papango amam-borona, iray toerana, fa samy hafa faniry
zouzou
5.
totozy sy voalavo : iray volo, fa tsy iray raharaha
zouzou
6.
Mifankatia tsy mifamarafara, ady no farany
zouzou
7.
Raha avy ny loza, patsa iray tsy omby vava
zouzou
8.
Ny hazo avo halan-drivotra, ary ny manankarena halan'olona
zouzou
9.
manan-karena salasala, ka manao kitamby rongony
zouzou
10.
Alika miandry embok'akondro, andrasana tsy latsaka, ilaozana toa hena
zouzou
11.
Faly malahelo toy ny manantena handova
zouzou
12.
ny tsinjaka maro mahay, fa ny dada sarotra hianarana
zouzou
13.
Lamba ka tsy misy atiny sy vohony
zouzou
14.
Toy ny lamba : raha tezitra, isikinana ; raha mandry, irakofana ; raha mandeha, itafiana
zouzou
15.
Tsy mety raha tsy mena-milahatra toy ny nify sosona
zouzou
16.
ny vola tsy mandry lalana toy ny rano : tonga anio, lasa rahampitso
zouzou
17.
Ny vola toa ny vahiny, tonga anio, lasa rahampitso
zouzou
18.
Ny lasa tsy mba miverina
zouzou
19.
Aza manao toy ny boka manjono : mifamitaka samy malama
zouzou
20.
Toy ny soabakaka miaraka aman-tsahahona, ka ny lehibe no adala
zouzou
21.
Raha adala loholona, dia adala ny vahoaka
zouzou
22.
adala toy ny zokim-bomanga, ka ny lehibe indray no hosenan-davenona
zouzou
23.
Tafasiry amin'ny adala, ka ny lasa ihany no averimberina
zouzou
24.
Manalasala toa rafozan-doza : omena ny manta, tsy omby vilany, omena ny masaka, sisa tsy lany
zouzou
25.
Raha vinanto tsara fifidy, tsy vinanto fa isan-janaka
zouzou
26.
Rafozan-doza sy vinanto tsy vanona, tafaray samy varatra
zouzou
27.
Rafotsibe naka harena ; hidina toa tsy hahazo, nahazo toa tsy mahazaka
zouzou
28.
Mpikabary maloto nify, ny fiasana indray no tsy diovina
zouzou
29.
Maimay hivady ka dodona hisaraka
zouzou
30.
Raha tsy mifanaja ho mpivady, aleo mifanaja ho mpianadahy
zouzou
1
2
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0118