Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe tahak
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
tahak
Hampiditra ohabolana
271.
Aza mandidy alohan'Andriamanitra tahaka ny olona mampanotrika atodiakoho ka manao hoe ity kokolahy ity kokovavy.
jentilisa
272.
Tsy mety ny mitsako alohan'ny vazana, na kely mialoha andriana tahaka ny tehina
jentilisa
273.
Manandrifindrify tahaka ny tenin'adala
jentilisa
274.
tsy maty vavany tahaka ny anjombona : mandraka ny efa babo ka mbola izy indray no avo feo
jentilisa
275.
tsy misy mangidy tahaka ny sakay fa rehefa teny ierana telina ihany
jentilisa
276.
voa roa tahaka ny tain'omby natsentsina an-dava-bary
jentilisa
277.
mandeha ila tahaka ny kiraron'Ibeminaha
jentilisa
278.
mandefona ivoho tahaka ny sakaiza manody
jentilisa
279.
saro-tadiavina tahaka ny gisa mainty
jentilisa
280.
Tahaka ny jiafotsy : vao tsy ilaozan-kasokasoka, rovitra tsy hilaozan-dromoromo
hery
281.
Ny fihavanana tahaka ny volon-kotona : hatonina, manalavitra, halavirina manatona
hery
282.
Tahaka ny tokon-kena ny fanambadiana, ka ao ny sendra ny trafony, ary ao kosa ny sendrany lohaliny.
hery
Voalohany
Mialoha
8
9
10
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0913