Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe ny
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
ny
Hampiditra ohabolana
3181.
mpamosavy namosavy boka, ka matin'ny olon-dratsy ny olon-tsy vanona.
latina
3182.
Lambamena nenti-nanitsaka, ka babon'ny mpisambotra.
latina
3183.
manao zanaky ny mpisikidy ka tsy mba ho faty, na zanaky ny mpanefy ka tsy ho may.
latina
3184.
Toy ny sikidy saka: ny fo iray ihany, fa ny loha no samy hfa.
latina
3185.
aza mila voa tsy ary, toy ny mpisikidy mampandihy ny marary
latina
3186.
aza mandika ny soan-janahary
latina
3187.
Za mandidy alohan'Andriamanitra toy ny mpanotrika akoho.
latina
3188.
Na dia manarona akoho aza, raha mby amin'ny omen'Andriamanitra dia manana.
latina
3189.
haitraitr'olombelona, zaka-Nanahary, fa Andriamanitra ihany no mandidy
latina
3190.
toy ny akohokely misotro rano, ka ny andriamanitra no andrandrainy.
latina
3191.
Ny iray tahitathin'olombelona, fa ny iray tahitahin'andriamanitra
latina
3192.
Ny tany vadiben-janahary: mihary ny velona, manotrona ny maty
latina
3193.
Andriamanitra tsy an'ny irery
latina
3194.
Avo fijery ny andriamanitra, ka mahita ny takona
latina
3195.
Tsihy be lambanana ny ambanilanitra
latina
3196.
Ny olombelona toy ny molo-bilany, ka iray manodidina ihany
latina
3197.
Ny olombelona fandrin-drano, ka tsy misy avo sy iva
latina
3198.
Ny olombelona toy ny omby: indray mandry, fa tsy indray mifoha
latina
3199.
Ny olombelona tsy miditra am-pitarihan-tokana
latina
3200.
Ny olombelona tsy ary mitovy
latina
3201.
Ny olombelona tsy maintsy lena
latina
3202.
Ny olombelona tsy fo vato, fa fo emboka
latina
3203.
Ny olombelona mora soa sy mora ratsy
latina
3204.
Ny adalan'ny hafa iomehezana fa ny an'ny tena tafian-damba
latina
3205.
Ny valala tsy in-droa mandry am-bavahady
latina
3206.
Ny handrina no tsy naniry volo, noho ny henatra
latina
3207.
Boka managala-pary, ny fary tsy azo, ny tanana feno lay
latina
3208.
Ny tokantrano tsy ahahaka.
Swin
3209.
valalan'alika, ny tompony aza tsy tia
latina
3210.
Mitoto vary diavolana ka maka fanahy ny akoho
latina
Voalohany
Mialoha
105
106
107
108
109
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0742