Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe ny
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
ny
Hampiditra ohabolana
3211.
Janga reny ka botry anaka
latina
3212.
Ny tokatrano toy ny tranon-dandy, ao anatiny vao manatevina
latina
3213.
aleo henjehin'ny omby masiaka toy izay henjehin'ny heritreritra
latina
3214.
mandeha ila ohatry ny kiraron'I Beminah
latina
3215.
Fatra-pifidy ny manganana ka sendra mangidy tsy telina
latina
3216.
Rafotsibe mandinga-tatatra ka manitatra ny efa mikatona
latina
3217.
aza manao mpitari-bato vilam-bava, ny tondroin'ny molotra hafa, ny ataon'ny tanana hafa
latina
3218.
Aleo enjehin'ny omby masiaka toy izay enjehin'ny heritreritra
latina
3219.
Mitoto vary diavolana maka fanahy ny akoho
latina
3220.
Sahiran-tsaina toy ny saka ambony vatolampy, ny hevitra betsaka fa ny tany hatototra no tsy misy
latina
3221.
Mamoiza ry vaotay fa nangery eny ambony vato ny ankizy
Swin
3222.
Be famangotra toa rambon'osy, ny lanitra tsy ienjera tohanana fa ny vody kekerin'ny moka tsy heverina
Swin
3223.
Aza mba mitonatonana toy ny vinato tsy mahare fosa.
Swin
3224.
Tiavo ny vady fa raha tafitohina hareniny
Swin
3225.
Fikasana an'ny saofera fa ny didy an'ny motera
batita
3226.
Ny fitia toy ny ketsa, afindra vao miroborobo
Kwasi
3227.
zay vao tenatay hoy ny merina nangery kafira
pablo
3228.
akoho nopahom-papango lasa ambony vao tra-pahoriana
nalaina
3229.
Aza atao fitiavan-jaza ka androany aho tia, rahampitso aho bedin'ny dada, afaky ny ampitso aho tia olon-kafa.
kofaakama
3230.
ny fitiavana tahaka ny afo: raha lalaovina mandoro, raha koloina mahamasa-bary
kofaakama
3231.
Ny lamban'ny matory irakofan'ny mahatsiaro.
lanto
3232.
Ny hendry ihany no anarina fa raha ny adala no tenenina ny lambany no ariany
Moundzee
3233.
Saka manao maloto ambony vatolampy, ny atao vita ihany fa ny hanotofana azy no tsy misy
ramix
3234.
fitiavan'alika ka fifandroritana no hiafarany
nalaina
3235.
lany andro mifampidinika tahaka ny saka manao fitiavana
nalaina
3236.
Mahalava moko gn'akanga, gny fitôvany
SENATERA
3237.
Ny vala tsa mba seragnana, fa ny fo tea ro mihilagna
bileda
3238.
Ny fiarahabana toy ny fary lava vany ka tsy lany hamamiana
vato
3239.
Toy ny rano sy vary ka an-tsaha tsy misaraka, am-bilany tsy mifanary
vato
3240.
Tsa misy vala tsa magnanika fa ny fo tea ro mihila
vato
Voalohany
Mialoha
106
107
108
109
110
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0462