Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe haka
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
haka
Hampiditra ohabolana
301.
mimenomenona tahaka ny sinoa very entana
jentilisa
302.
Sarotra omem-boninahitra tahaka ny mandady hajaina
jentilisa
303.
Mireheka amin'ny be tsy anananana tahaka ny vadikelin'Antananarivo
jentilisa
304.
Aza mandidy alohan'Andriamanitra tahaka ny olona mampanotrika atodiakoho ka manao hoe ity kokolahy ity kokovavy.
jentilisa
305.
Tsy mety ny mitsako alohan'ny vazana, na kely mialoha andriana tahaka ny tehina
jentilisa
306.
Manandrifindrify tahaka ny tenin'adala
jentilisa
307.
tsy maty vavany tahaka ny anjombona : mandraka ny efa babo ka mbola izy indray no avo feo
jentilisa
308.
tsy misy mangidy tahaka ny sakay fa rehefa teny ierana telina ihany
jentilisa
309.
voa roa tahaka ny tain'omby natsentsina an-dava-bary
jentilisa
310.
mandeha ila tahaka ny kiraron'Ibeminaha
jentilisa
311.
mandefona ivoho tahaka ny sakaiza manody
jentilisa
312.
Atoandro fitery ronono ka ilaozan'ny omby mihahaka
jentilisa
313.
saro-tadiavina tahaka ny gisa mainty
jentilisa
314.
Tahaka ny jiafotsy : vao tsy ilaozan-kasokasoka, rovitra tsy hilaozan-dromoromo
hery
315.
Ny fihavanana tahaka ny volon-kotona : hatonina, manalavitra, halavirina manatona
hery
316.
Tahaka ny tokon-kena ny fanambadiana, ka ao ny sendra ny trafony, ary ao kosa ny sendrany lohaliny.
hery
Voalohany
Mialoha
9
10
11
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0172