Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe BETSIMISARAKA
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
BETSIMISARAKA
Hampiditra ohabolana
31.
Manehin-drano: arakaraka an-tagnana; manehim-pagnahy: fagnahy zahana. (Ohabolana BETSIMISARAKA)
soanja
32.
Tsy hotrogina karaha gny ara-my, ary tsy rangaina karaha gny ramihavogna, fa izagny manam-pagnahy na dia bitika aza dia ray aman-drenin'olona. (Ohabolana BETSIMISARAKA)
soanja
33.
Ovy haniry tsy tam-bato. (Ohabolana BETSIMISARAKA)
soanja
34.
Gny hafady marary tsy misy, ka gny halofo faty ka misy. (Ohabolana BETSIMISARAKA)
soanja
35.
Fitiavako trandraka tsy hibabiako amboa. (Ohabolana BETSIMISARAKA)
soanja
36.
Finoman-drano an-tagnana: tsy efan'ny indraika. (Ohabolana BETSIMISARAKA)
soanja
37.
Tragno nafindra tsy mitovy zoro. (Ohabolana BETSIMISARAKA)
soanja
38.
Tsy madilom-boahangy iray tanty. (Ohabolana BETSIMISARAKA)
soanja
39.
Kabaro tsy hifaina, tsy andoavana andevo antitra. (Ohabolana BETSIMISARAKA)
soanja
40.
Tsakitsakin-jaza: tompony indraika izarana. (Ohabolana BETSIMISARAKA)
soanja
41.
Ovy am-bato gny olona: raha mieto fa tsy tapitra. (Ohabolana BETSIMISARAKA)
soanja
42.
Fandrik'akanga nahavoa mandotra: vandan-tsy izy. (Ohabolana BETSIMISARAKA)
soanja
43.
Ondro-volo: sady fagnilo famoarana. (Ohabolana BETSIMISARAKA)
soanja
44.
Tantamo an-dovoka gny olona: vany mitsivaka tahatra gny hisaraka. (Ohabolana BETSIMISARAKA)
soanja
45.
Lambo maholy tsy be menaka. (Ohabolana BETSIMISARAKA)
soanja
46.
Valavo nirangotim-piso: tsy maty fa lava volo. (Ohabolana BETSIMISARAKA)
soanja
47.
Sady tia bory, tia manan-tandroka. (Ohabolana BETSIMISARAKA)
soanja
48.
Sady tsy ho an-dakan-tsy ho an-jahitra, tsy handry tsy agnila-rano. (Ohabolana BETSIMISARAKA)
soanja
49.
Magnova tsy mahay karaha nendra. (Ohabolana BETSIMISARAKA)
soanja
50.
Ragnalahy nitono voamaho: azon-tsaoka an-dragno. (Ohabolana BETSIMISARAKA)
soanja
1
2
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0384