Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe adala
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
adala
Hampiditra ohabolana
31.
Adala vady reny anaka ka mirakitra amin-karon-doa-body
yveratsimb
32.
Tsy hadalan' ny akoho no itoerany an-joro fa toeram-boazara
yveratsimb
33.
Ikala adala ambody tenona, sady tsy hitohy ny maito no tsy hanala kambana
yveratsimb
34.
Tantely afa-drakotra ka anjakan'ny bodo sy adala
yveratsimb
35.
Ny vary tsy ilaozan' akatatra, tanàna tsy ilaozan' adala
yveratsimb
36.
Tendrombohitra tsy ilaozan' ambiaty, tanàna maro tsy ilaozan' adala, kabary be tsy ilaozan-diso
yveratsimb
37.
Ady amin'adala, ny manam-panahy no mandefitra
yveratsimb
38.
Adala toa zokim-bomanga, ny lehibe indray no hosen-davenona
yveratsimb
39.
Ny fahadalana no mampianatra ny fahendrena.
niryna
40.
fanahy iniana ny ho hendry , fa ny adalana samy manana
p106
41.
Adala nomen-tanan'ondry ka na soloana ofany aza tsy tia
aivetinakely
42.
Adala ny tia ka ny tompom-bady indray no hafarana
aivetinakely
43.
Ny adala tsy ambakaina zanahary no atahorana
VOARITINA
44.
Ny fahendrena dia azo avy amin'ny fahalalana ary ny fahalalana dia azo avy tamin'ny fahadalana
niryna
45.
Mirirodrirotra toy ny vorodamban'ikala adala
niryna
46.
Fitia te-hanadala sa fitia te-hanandroa? sa fitia safomorona, ny tena fitia tsy mahay miafina
aivetinakely
47.
Hendry anarina ka ny "izaho ve no adala no asesika"
aivetinakely
48.
Aza avela hanoroka anao ny adala ary aza manaiky anaraka ny adalany
niryna
49.
Sorona afon'adala, ka ny eo aloha tsy levona, ny aoriana asesika ihany.
soanja
50.
ny adalan ny hafa ihomehezana fa ny an ny tena tafian-damba
kiriah
51.
Adala mandeha miantsena ka ny siramamin-jaza natoraka alika
kiriah
52.
Adala nomen-tanan'ondry, ka na hosoloana hofany aza tsy omeny.
soanja
53.
Ny zana'adala hono tsy itsitsiana tsora-kazo
ionosaoly
54.
tambatambazan-koambakaina, tiana ihany kanefa adalaina Ny Andri-Fara
Rapha
55.
Adala misafidy, tsy ny tsara no raisina fa izay manintona.
aivetinakely
56.
Adala toa valalan'amboa, mitsipika mandrak'antitra.
aivetinakely
57.
Ny adala no tsy inoan'teny, na marina aza manahirana
Crionlas
58.
Fotsimbary tsy ilaozan'akatatra, tanàna tsy ilaozan'adala [Rajemisa 1985]
maeva74
59.
Tsiambaratelon'adala, izy ihany no fanalahidiny.
aivetinakely
60.
Safidin'adala, hafa ny anio, miova rahampitso.
aivetinakely
1
2
3
4
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0543