Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe adala
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
adala
Hampiditra ohabolana
1.
Ny hendry mody voky, fa ny voky mody adala
Azrael666
2.
Farihy maty mamba ka itsobohan'ny adala rehetra
hery
3.
Ny adala no omena vady fa ny hendry misafidy
hery
4.
Izay adala no toa an-drainy
Jujutsu
5.
Fitia miorina an-daba-pako, ka anjakan’ny adala. Ny Andri-Fara 05.09.2003
SANAKERIB
6.
ny vary tsy fotsy adidiny laona, ny zazaka adala adidiny Ray aman-dReny
Benjamadagasikara
7.
"ny adala no tsy hambakaina, Andriamanitra no atahorana"
tenymamy
8.
ny saka sy ny alika miady ka miady hatramin'ny adala , mpvady miady ko ny zaza ao an trano no darohana
2016
9.
Ny adalan'olona ihomehezana fa ny adalan'ny tena tafian-damba
OZ16
10.
Adala nomen-tanan'ondry ka na soloina hofany aza tsy mety
OZ16
11.
Omby lahy nanonto vatolampy ka bory tandroka amin'ny adalany
kels
12.
Lany andro toy ny hendry mananatra adala
Rakotoaly
13.
Adala ny manina ka ny tompo-bady no hafarana.
BEDOGAIGY
14.
Ady amin' adala, ka ny hery no miala.
BEDOGAIGY
15.
Adala vady renianaka, ka mirakitra an-karon-doa-body.
BEDOGAIGY
16.
Adalan-kaotra ka zary hazaka.
BEDOGAIGY
17.
Adaladala toa zokim-bomanga : ny lehibe indray no mihosin-davenona.
BEDOGAIGY
18.
Adaladala nahazo vorona, ka ny volom-bodiny no nongotana fa tsy ny elany.
BEDOGAIGY
19.
Adaladala monina Ankaratra, ka tsy mahalala sahondra ho vaky.
BEDOGAIGY
20.
Adaladala manam-bety, ka izay rehetra hita, venty avokoa.
BEDOGAIGY
21.
Adaladala fiandry trano ka homam-barin-jaza.
BEDOGAIGY
22.
Adala manan-janaka ka ny isany avy no anontaniana olona.
aivetinakely
23.
"Tsy misy adala hoatran'ny kisoa fa rehefa mivoaka be tondromolotra",adala
TOKYTK
24.
Ilay Kamo mivady : ny lahy matory maraina, ny vavy manao be fahandro : tafahaona ny adala roa.
yveratsimb
25.
Lava hadalana ohatra ny valalan' amboa : kely mitsipaka, lehibe mandady
yveratsimb
26.
Atao adala ka tezitra: vary misy ro ka haronina, sisan' Idalo ka hanina
yveratsimb
27.
Adala nomen-tanan'ondry , na soloana ofany aza tsy tia.
aivetinakely
28.
Tsy misy adala tahaka ny akoho, fa nony hariva ny andro, mahalala mody
yveratsimb
29.
Adala vady reny anaka ka mirakitra amin-karon-doa-body
yveratsimb
30.
Tsy hadalan' ny akoho no itoerany an-joro fa toeram-boazara
yveratsimb
1
2
3
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0531