Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe ainga
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
ainga
Hampiditra ohabolana
31.
antitra tsy miraharaha fiainana.miandradra any rafahafatesana ho aingana
orlando405
32.
Aza manao lainga marivo tototra ka ahelin'ny akoho tokan'anaka
niryna
33.
Miainga amin'ny fahafantaranao ny zava-madinika no ahafantaranao ny zava-dehibe
niryna
34.
Ny vavolombelona marina milaza izay hitany fa ny vavolombelona ratsy kosa milaza lainga
niryna
35.
Ny marina mitavozavoza tsy mahaleo ny lainga tsara lahatra
niryna
36.
Vavolombelon'ny mpiasa ny bainga voavadika
niryna
37.
Ganagana mitety bainga, ny tratra mangana ny hanina tsy azo.
aivetinakely
38.
totofany lainga ka dia miaritra ihany, ilazany ny ampitso lava ka dia miramirana
latina
39.
Mpivady iray lainga ka faty no isarahana
latina
40.
totohondrim-boka: efa vita rahateo, fa ny hanainga nosisa
latina
41.
Mandainga ny rano, hoy ilay boka mizaha ny tandindony
latina
42.
Lava volombava mizaha lanonana, ka ny alamaka ihany no maha faingana azy.
latina
43.
Maika tsy faingana toa dian'ondry
Mapa
44.
Ny mpandainga dia namana hatrany fa ny lainga avoakany no hialao lavitra.
xtxman
45.
aleo mifanena pamozavy toy izay mifanena amin'ny pandainga
ravi
46.
Ny lainga toy ny salaka ka iray mihodidina iany
tia
47.
Ny marina mitavozavoza tsy mahaleo ny lainga tsara lahatra
doum
48.
Bainga mivadika no vavolombelon'ny mpiasa
doum
49.
Aleo mifanena @mpamosavy toyizay mifanena @mpandainga
doum
50.
ny lainga mampisolantsolana andro ilazana, fa mampivalomainty andro ifanatrehana.
jentilisa
51.
Raofina ihany toy ny lainga, fa raha feno miraraka.
jentilisa
52.
ny lainga mora atentina fa sarotra ialana.
jentilisa
53.
ny lainga volombodin'ny mosavy
jentilisa
54.
Lainga marivo tototra ka hehezin'ny akoho tokan'anaka.
jentilisa
55.
Ratsy tokoa ny lainga fa na ny mpandainga aza tsy tia azy.
jentilisa
56.
Ny lainga toy ny nify maharary ka ny esorina no mahatsara azy
JMR
57.
Ny mpivady iray lainga
JMR
58.
Marina fa misy lainga ary lainga fa misy ny marina
JMR
59.
Ny lainga mampitsolantsolana andro ilazana fa mampivalomainty raha mifanatrika
mandrindra
60.
Ny lainga toy ny vary aloha: mahafatra-po fa tsy mahavita taona.
jentilisa
1
2
3
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.4543