Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe andevo
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
andevo
Hampiditra ohabolana
31.
Ny andevolahy kapila voahitsaka, ny andevovavy vomanga an-kotrika.
soanja
32.
Ny vitsy andevon'ny maro.
soanja
33.
Aza manao lamban'andevo ka tsy harahana.
soanja
34.
Aza miraikiraiky toy ny andevom-behivavy.
soanja
35.
Aza mikapa sakaiza hoatra ny andevolahy homan-tain-jiro.
soanja
36.
Aza manao toy ny andevolahy mahay valiha; asai-manao tsy mety, nony tsy irahina, manao.
soanja
37.
Toy ny andevo tompoi-manompo.
soanja
38.
Manambitamby lava, toy ny manana andevo tokana.
soanja
39.
Andevolahy mampirafy, manita-draharaha.
soanja
40.
Andevo tokana amin'andriana, raha tsy matin'iraka, maty voky.
soanja
41.
zoky toavina tsy andriana, zandry manoa tsy andevo
bobone
42.
Manambitamby lava, toy manana andevo tokana
niryna
43.
Ny tenan-tsika moa dia andevolahy manan'omby ka na ny tena aza an'olona, ny adidiny tena vibiny, ny asa aman-draharaha sakelehina, ny any fanjakana loloavina
RTsongy
44.
andevo tokana amin'andriana :raha tsy matin'iraka, maty voky.
niryna
45.
Toy ny andevolahy miandry faty, ka izay mahery vava no lohany.
niryna
46.
Andevo tokana amin'andriana raha tsy matin'iraka, maty voky.
niryna
47.
Manita draharaha toy ny andevolahy mampirafy.
niryna
48.
Aza manao toy ny andevolahy mahay valiha; asaina manao tsy mety; noho ny tsy irahina, manao.
niryna
49.
Izay hajaina tsy ho andriana tsy akory, ary izay manaja tsy ho andevo tsy akory, ka tsara raha mifanaja.
latina
50.
Andevolahy mampirafy, ka intelo mihosin'akondro
McFy
51.
Andevolahy mangery an-jezika ka izy ihany no hiloloha azy
nounoum
52.
Andevolahy namosavy tompo, nahazo hena indray manokona fa tapa-taona miongo-bolo ihany.
jentilisa
1
2
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0287