Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe antitr
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
antitr
Hampiditra ohabolana
31.
Fiarin amboa lahy antitra ka aleo lo toy izay ho ankavana
kiriah
32.
Toy ny sahona ka mitoetra toa lahiantitra, mivikina toa tovolahy.
soanja
33.
Tsipolitra ka antitra vao tia sangy.
soanja
34.
Anatsinahy lavitra olona ka antitra ampijorana.
soanja
35.
Nato ny teny ka mamerna indroa manana ny antitra.
soanja
36.
Aza manao fahateran'alika ka antitra vao mihagaigy!
farihy
37.
Rasazy tampo-pahaizana ka antitra indray vao mangarombody
Ratianakel
38.
Adala toa valalan'amboa, mitsipika mandrak'antitra.
aivetinakely
39.
Aza manao tahaka ny tsipolotra, antitra vao tia sangy.
aivetinakely
40.
Ny antitra dia manome toro-anatra tsara raha toa ka tsy mampiseho ny fahazaran-dratsiny intsony
niryna
41.
ketsa va aho ka ho antitra iray taona ?
niryna
42.
Tsy misy hianterana toa bozaka : tanora sakafon ny omby; antitra sakafom patana
kanto1
43.
Toy ny vero: tsara faniry fa ratsy antitra.
kanto1
44.
Tahaka ny antitra mitomany : maika loza miketrona manaratsy tena.
kanto1
45.
Toy ny fanoto : ka antitra vao kely anarana.
kanto1
46.
Toy ny kalon antitra, ka tomany no farany.
kanto1
47.
Mandroroa toy ny mason antitra.
kanto1
48.
Tsy avelan ny ela tsy ho antitra.
kanto1
49.
Ny tanora vato mandondona, ny antitra hazo amoron tevana, ka tsy hita izay hianjera aloha.
kanto1
50.
Valalanamboa: tanora mitsipika, antitra mitsipika
kanto1
51.
Miara-monina amim-pahalainana fahazaza ka mitafy vori-damba rehefa antitra
kanto1
52.
Aza manao toy ny valalan'amboa ka na efa antitra aza mitsipika ihany.
aivetinakely
53.
Ny fanambadiana dia toy ny jiafotsy, vao tsy arahin-kasokaso, antitra tsy arahin-dromoromo
niryna
54.
Tsy misy tanora natao tsy hijihina, fa rehefa antitra miady lohalika
zanakantitra
55.
Tanora mamboly hazo ka hisy hipetra-petraha rahatrizay ka antitra.
niryna
56.
Antitra mampiady kalo ka ny antitra antitra ihany.
niryna
57.
Mihena an-toerana toa fen'antitra.
niryna
58.
Toy ny fanoto:antitra vao kely anarana.
niryna
59.
Rehefa antitra dia manoro fahendrena, rehefa tanora dia mandray ilay fahendrena.
niryna
60.
Antitra mampiady kalo ka ny antitra antitra ihany
niryna
1
2
3
4
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0293