Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe indray
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
indray
Hampiditra ohabolana
31.
Toy ny vomanga, ka ny lehibe indray no hosoran-davenona.
soanja
32.
Ny any an-kady indray no manofa lamba.
soanja
33.
Gisa lahy mangala-ketsa ka izy mangalatra indray no avo vava
kiriah
34.
Sokina mita rano, ka ny tsy mahay indray no mivonkina.
soanja
35.
Manao toy ny Bezanozano,ka ny vavy indray no feno lovia
niryna
36.
Ny anateran-kira indray no milaza tsy mahay.
walte
37.
Izaho andrandrana indray ve no anafenana loha sola
niryna
38.
Mba hafa kely indray izay hoy ilay kisoa nihinan-tay
Ratianakel
39.
Rasazy tampo-pahaizana ka antitra indray vao mangarombody
Ratianakel
40.
Mivadika tahaka ny lohalik'alika, any aoriana indray no misy azy.
aivetinakely
41.
Aza manao fanirin-drambon'omby, ny raviny indray no ambany.
aivetinakely
42.
tonga vahiny fahavaratra, , ny mandoto trano indray no tolorana sakafo
bobone
43.
Efa lany rambo toy ny jono indray alina
niryna
44.
Mody tsy mijery tahaka ny lehilahy tia, mitsipelatra indray mandeha anefa de mahatahiry ny totalin'endrika.
aivetinakely
45.
Raha indray mandeha ve no manta vary dia andevi-tsotrobe?
niryna
46.
Famindrana indray mandeha no niandohan'ny dia an-jatony maro
niryna
47.
Androngo niani-bato, ka ny kibo arovana indray no may alohan'ny lamosina.
aivetinakely
48.
Aza manao tahaka ny fary ka ny lohany indray no matsatso.
aivetinakely
49.
Aza manao fanirin-tsaonjo ka ny mamelana indray no lazaina ho mandoza.
aivetinakely
50.
Raha indray mandeha no tsy nahomby, mamerena indray
niryna
51.
Raha indray mandeha no manta vary aza mandevi-tsotrobe
niryna
52.
Tahaka ilay nividy Ondrilahy ka ny hofany indray no jerena mialoha
ontsy
53.
Tsibotry isika naraka ihany ka adrisa indray ve vao hifanary.
aivetinakely
54.
Sasa-miaina tahaka ny angavo kany mpahary azy indray no tondroana vody.
aivetinakely
55.
be nangy miray fandriana ka ny ambony indray no tery
dadou
56.
Ireo izay nahavita dian-tongotra lavitra dia nanomboka ny dingana indray mandeha aloha vao tonga tany
niryna
57.
Vorondolo mitera-boromanga ka tsara indray noho ny rainy
niryna
58.
Tsy mety ny manao toy ny ganagana, ka ny lahy hitarika indray no kely feo.
aivetinakely
59.
Vehivavy lava lamosina ka ny kifafa indray no tapaka
niryna
60.
Izy handrandrana indray ve no hanafenana loha sola ?
niryna
1
2
3
4
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0176