Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe indray
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
indray
Hampiditra ohabolana
91.
Isika hanateran-kira indray ve no milaza tsy mahay
doum
92.
Izay nantenain-kanirina indray no maika vo nampivandravandra
doum
93.
Hianao handrandrana indray ve no hanafenana loha sola.
doum
94.
Bangon'ilay takatra ka indray paoka de vita
doum
95.
Indray mandeha ve no manta vary dia handevin-tsotrobe
JMR
96.
Fatra-pandefitra toy ny mpivaro-tantely, ny tompony indray no milela-tanana
jentilisa
97.
Poa tahak'izay toa firaisan'akoho : indray mitsaingoka dia vita
JMR
98.
Ny omby indray mandry tsy indray mifoha
JMR
99.
Kary mihomehy vorondolo: ka ny mandady indray no mihomehy manidina
McFy
100.
ny arivolahy tsy maty indray andro
jentilisa
101.
Nahoana no atao hoe : « Be ny raharaha » ka ny voly vary indray no tsy efa ?
hery
102.
Nahoana no atao hoe : be ny raharaha, ka ny voly vary indray no tsy efa
hery
103.
Andevolahy namosavy tompo, nahazo hena indray manokona fa tapa-taona miongo-bolo ihany.
jentilisa
104.
Hafahafa toa sifotra ka ny tamenany indray no ariana
jentilisa
105.
Be raharaha ve dia ny voly vary indray no tsy efa?
jentilisa
106.
Kary mihomehy vorondolo ka ny mandady indray no mihomehy manidina
jentilisa
107.
Tsy mety ny manao ranomaso manetsi-keloka ka ny mamono indray no mamonjy fandriana ary ny mamo indray no miantso polisy.
jentilisa
108.
tsy maty vavany tahaka ny anjombona : mandraka ny efa babo ka mbola izy indray no avo feo
jentilisa
109.
ny anateran-kira indray ve no milaza ho tsy mahay
jentilisa
110.
indray mandeha ve no manta vary dia handevin-tsotrobe
jentilisa
111.
Gisalahy homan-ketsa, izy mangalatra indray no avo vava
jentilisa
112.
Aza manao gisalahy homan-ketsa ka ny homana ny an'olona indray no avo feo.
lanto
113.
Aza malaina manao zavatra; fa ny mosary indray maraina tsy efa foana.
hery
114.
Aza manao ganagana lahy : ny mitari-dalana indray no mihakely feo.
hery
Voalohany
Mialoha
2
3
4
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0281