Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe manala
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
manala
Hampiditra ohabolana
31.
Manalasala toa manambady lavanify: atao ao aoriana toa hanaikitra, atao eo aloha toa mihomehy amin'ny hafa
zanakantitra
32.
Ny fahavoazana mihatra dia endrika iray amin'ny fiainana ny tsy fizara izany @ olo-tianao dia manalavitra azy ny fitiavany anao.
niryna
33.
Manalasala tahaka ny katsaka, atao ho vavy toa misy volom-bava, atao ho lahy toa mibaby.
aivetinakely
34.
Raha revom-potaka, rano no manala, raha revon-teny, vava no manala, raha revon'alahelo, ny havana no itarainana.
latina
35.
Manalasala tahaka ny manambady vaviantitra hitositosy toa renibe avela amin'izao anjara vadin'ny tena, ka ny loa-bary sisa no andrasana
hery
36.
manalasala toy ny marary mahalany hanina
nalaina
37.
manalasala ohatry ny vozon'akoho tanora, atao nofony toa taolana, atao taolana toa nofony
raniry
38.
manalasala ohatry ny angidina, ato mahia be tratra, atao matavy kely rambo
raniry
39.
Ndra soa volo GNAKANGA, AKOHO ro mahafa-kegnatsy. =Na tsara volo ny akanga ny akoho foana manala hanatra=
Etienne
40.
manalasala ohatryny manambady traky nify ato eo aloha atahorana hitsiky @hafa atao aoriana atahorana hanaikitra
dadou
41.
Manalasala ohatry ny volom-pitombenana, hongotana maharary, tsy hongotana mitazona maloto.
Kintanakely
42.
Manalasala toa rafozan-doza : omena ny manta, tsy omby vilany, omena ny masaka, sisa tsy lany
zouzou
43.
manalasala toy ny volom-bava: atao hoe volom-bava tsy eo amin'ny vava, atao hoe volo-tsaoka tsy fiteny
Lalakely
44.
Manalasala toa lava nify mamangy fahoriana, atao eo aloha toa mananihany, atao any aoriana ohatry ny hanaikitra
Chuan
45.
Manalasala toy ny parasy am-pitombenana, avela mangidihidy, haorina manamaimbo tanana!
JMR
46.
Boka mihinan-kitoza ny fihinana lavorary fa ny manala kaka no ady mafana
jentilisa
47.
Raha revom-potaka, rano no manala ; raha revon-teny, vava no manala ; raha revon'alahelo, ny havana itarainana
hery
48.
Raha revom-potaka, rano no manala; raha revon-teny, vava no manala; raha revon'alahelo, ny havana no itarainana.
ftma
49.
Ny fihavanana tahaka ny volon-kotona, hatonina, manalavitra, halavirina manatona
hery
1
2
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0177