Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe natao
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
natao
Hampiditra ohabolana
31.
Natao sanga ka nanatona, natao tandroka ka nanoto
niryna
32.
Tsy misy tanora natao tsy hijihina, fa rehefa antitra miady lohalika
zanakantitra
33.
Ny tany sy lanitra no tsy nikambana, hisian'ny rivo-pamelona, ny vary sy rano no tsy mifandao, natao hifameno.
aivetinakely
34.
Ny asa natao an-kira, toa vita toa tsy natao
niryna
35.
Asa atao an-kira toa vita toa tsy natao
niryna
36.
Tsy misy fahoriana izay natao tsyho zakan-tsika
niryna
37.
Vazaha matim-basy, matin-draha nataony.
ilanto
38.
Izay misiditsidina ny eritreriny dia ho potraka noho ny nataony
niryna
39.
Asa atao an-kira, vita toa tsy natao.
aivetinakely
40.
Tsy misy zavan-tsy zaka tahaka ny fanambadiana natao an-terisetra.
aivetinakely
41.
Arahaba ririnina ka vita tsy natao.
aivetinakely
42.
Rafotsibe misika fary, ny natao hahamandomando ny tenda indray no nampiendaka ny akanjon'ify.
aivetinakely
43.
Mpivaro-drano tratr'orana, ka tratry ny nataony ihany
aivetinakely
44.
Ny vato natao hiafenana no namosaka antsoro maina.
niryna
45.
natao anadahy hiankinana, kanjo misikidy ho vady
latina
46.
Ny manao soa tsy mba mahafaty antoka, fa ny manao ratsy enjehin'ny nataony
latina
47.
Ombilahy mifaoka am-botry ka mavon'ny nataony
latina
48.
fotsim-bary natao an-karom-boatokana: very sasaka, very fahatelo.
latina
49.
matokin-damba vinidy, ka mivaro-damba natao
latina
50.
Tsy nisy soa ohatry ny vilany, fa raha vaky, natao fanotrehana akoho.
latina
51.
Hianareo no natao valala fiandry fasana, vorompotsy tsy mandao omby.
latina
52.
ianareo no natao ala hikirizana, vato hifaharana
latina
53.
Hianareo no natao masoivoho, hidin-trano miantoka ny alina.
latina
54.
Ingorofotsy mitono sahondra, ka bokan'ny nataony
latina
55.
Tarehy ratsy nataon-janahary, ka tsy vanon-kisaronan-doha.
latina
56.
tongo-bitsika natao lasopy, andrakandrana no betsaka
nalaina
57.
Mpivarodrano TRtr`orana ka henjehiny asa nataony
radolany
58.
Mpivarodrano tratr`orana ka henjehiny asa nataony
radolany
59.
Jaolahy nitrongy votry ka mavon'ny nataony!
andry44
60.
soa natao levenam-bola
kavaly
1
2
3
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0928