Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe ohatry
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
ohatry
Hampiditra ohabolana
31.
Jerem-potsiny ohatry ny tany nahalavoana.
hery
32.
Manalasala toa lava nify mamangy fahoriana, atao eo aloha toa mananihany, atao any aoriana ohatry ny hanaikitra
Chuan
33.
Ny fihavanana ohatry ny landy : maty isika, ifonosana; velona itafiana ka ny madilana arahim-panondro
hery
34.
Manjilajilatra ohatry ny feo vantony
hery
35.
Ny teny marina ohatry ny fia-pary, ka na lava aza, tsy lany hamamiana
hery
36.
Mitsaha-menomenona ohatry ny vary sosoa
hery
37.
Tsy misy mamy ohatry ny zaza fa raha manaikitra ny nono akifika
hery
38.
Tsy misy mamy ohatry ny zanaka fa rehefa manaiki-nono akifika!
vale
39.
Mivoaka ho faty ohatry ny kakana
hery
40.
Mafanafana ohatry ny ratsy ataon-kavana
hery
41.
Manararaotra ohatry ny banga mihomehy alina
vale
42.
Ny olona marina ohatry ny vato lava sorona, ka izay ametrahana azy marina avokoa
hery
43.
Aza mitoe-poana ohatry ny vato : ny lehibe tsy miteny, ny kely tsy misy mpananatra
hery
1
2
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0343