Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe rafozana
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
rafozana
Hampiditra ohabolana
31.
Miasa jamba rafozana;herim-po very foana.
niryna
32.
Raha tiana ny vady, ny rafozana no tsinjovi-mandeha
Aotsara
33.
Diso hery loatra, ka mamely kopala rafozana
latina
34.
Aza manao toy ny rafozana jamba, ka aleo hateran-tsira kely toy izay homen-damba tsara
latina
35.
Vady hariana be tsiny, zanak'olon-tsy vadiana toa soa, tsy rafozana toa bohaka
latina
36.
vazivazy iray an-dalana, fa ny nonon-drafozana tsy filalao
miara
37.
raha tina ny vady ny rafozana no tsindrovi- mandeha
caloh
38.
Mitabataba tonga rafozana, atody akoho no laoka ka famaky no tadiavina
razooz
39.
Avy vinanto marani-pangady, avy rafozana vondrak'akoho.
ftma
40.
Vinantolahy tonga rafozana, akoho iray no ho vonoina ka antsy fito no ahetsiketsika
JMR
41.
Ny vady no tiana ka ny rafozana no malala
jentilisa
42.
Miasa jamba rafozana, herim-po very foana
jentilisa
43.
Be setrasetra ka mamely daka rafozana
jentilisa
44.
Arahabao ihany izay hita fa tsy fantatra izay fara-rafozana
jentilisa
45.
Rafozana jamba: aleony hanateran-tsira kely toy izay omen-damba tsara
jentilisa
46.
Aleo tsy tiam-bady toy izay tsy tian-drafozana
jentilisa
47.
Boto zatra mitaigina, ka ny rafozana ao an'trano no tsy hahaiza-miaina
jazz666
48.
Raha tiana ny vady dia ny rafozana no tsinjovi-mandeha
chipie1
1
2
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0172