Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana, anaty sokajy
boka
Hampiditra ohabolana
31.
Vitam-boka ka tsy azo ianteherana.
Razatovo
32.
boka mangarom-poza ka manosik'azy hiverina
dadax
33.
Boka nangala-pary, ka ny fary tsy azo, ny tanana feno lay
niryna
34.
Miadan-dratsy ohatran'ny boka mitery omby
niryna
35.
boka mita rano, tafita vao rendrika
zazadel
36.
Faly sahirana toa ilay boka nangala-boatavo
dziana
37.
Aza lany andro eo am-pisangian-takotra toy ny boka mangala-pihinana, na ho variana mamahan-kary toy ny mpamosavy vao miana-draharaha.
aivetinakely
38.
Matimaty foana toy voron-kely lalaovim-boka.
sylvoalias
39.
Aza manao bokalahy mahay valiha
sylvoalias
40.
Tafita vao rendrika toy boka milomano.
sylvoalias
41.
Boka mangala-boatavo ka mifampitolona samy malama.
aivetinakely
42.
Miadan-dratsy tahaka ny boka may trano.
aivetinakely
43.
Lanom-boka, tafita vao rendrika.
aivetinakely
44.
Boka mivavaka, Andriamanitra angatahana indray no ambanana totohondry
katafi
45.
tsapa-sokin-dRainiboka, ka ny azo ihany no avadibadika
latina
46.
boka mihalo-poza: mipaka ihany fa tsy mitondra
latina
47.
totohondrim-boka: efa vita rahateo, fa ny hanainga nosisa
latina
48.
Miadan-dratsy ohatra ny boka mitery omby
latina
49.
aza manao toy ny boka manjono, mifamitaka samy malama
latina
50.
Mitaiza ny boka, ka manabe ny tsy azo ho namana
latina
51.
boka mikavina; tsy haingo fa fitehirizan-karena
latina
52.
Mandainga ny rano, hoy ilay boka mizaha ny tandindony
latina
53.
boka very tsy misy araka
latina
54.
boka mihina-kitoza: ny fihinana no lavorary, fa ny fanalana kaka no ady mafana
latina
55.
boka mijinja vary, ka mamorovoro ny efa vita
latina
56.
tsy hita lavadavaka, ohatra ny boka misikidy rantsana
latina
57.
boka mitohy rofia, ka manasaritaka ny efa milamina
latina
58.
Boka tsy namosavian-kavana ohatry ny mananasy
latina
59.
Ny boka indray no mahantra: velona tsy iray trano, maty tsy iray fasana
latina
60.
Bokalahy lavo amin-karavola: ka kibo no enti-manarina
latina
1
2
3
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0149