Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana, anaty sokajy
boka
Hampiditra ohabolana
31.
Nahoana no maniry manitra hoatra ny boka anaty tapia?
soanja
32.
Boka Ikoto tsy elon'Ikala, boka Ikala tsy leon'Ikoto.
soanja
33.
Vitam-boka ka tsy azo ianteherana.
Razatovo
34.
boka mangarom-poza ka manosik'azy hiverina
dadax
35.
Boka nangala-pary, ka ny fary tsy azo, ny tanana feno lay
niryna
36.
Miadan-dratsy ohatran'ny boka mitery omby
niryna
37.
boka mita rano, tafita vao rendrika
zazadel
38.
Faly sahirana toa ilay boka nangala-boatavo
dziana
39.
Aza lany andro eo am-pisangian-takotra toy ny boka mangala-pihinana, na ho variana mamahan-kary toy ny mpamosavy vao miana-draharaha.
aivetinakely
40.
Matimaty foana toy voron-kely lalaovim-boka.
sylvoalias
41.
Aza manao bokalahy mahay valiha
sylvoalias
42.
Tafita vao rendrika toy boka milomano.
sylvoalias
43.
Boka mangala-boatavo ka mifampitolona samy malama.
aivetinakely
44.
Miadan-dratsy tahaka ny boka may trano.
aivetinakely
45.
Lanom-boka, tafita vao rendrika.
aivetinakely
46.
Boka mivavaka, Andriamanitra angatahana indray no ambanana totohondry
katafi
47.
tsapa-sokin-dRainiboka, ka ny azo ihany no avadibadika
latina
48.
boka mihalo-poza: mipaka ihany fa tsy mitondra
latina
49.
totohondrim-boka: efa vita rahateo, fa ny hanainga nosisa
latina
50.
Miadan-dratsy ohatra ny boka mitery omby
latina
51.
Mitaiza ny boka, ka manabe ny tsy azo ho namana
latina
52.
boka mikavina; tsy haingo fa fitehirizan-karena
latina
53.
Mandainga ny rano, hoy ilay boka mizaha ny tandindony
latina
54.
boka very tsy misy araka
latina
55.
boka mihina-kitoza: ny fihinana no lavorary, fa ny fanalana kaka no ady mafana
latina
56.
boka mijinja vary, ka mamorovoro ny efa vita
latina
57.
tsy hita lavadavaka, ohatra ny boka misikidy rantsana
latina
58.
boka mitohy rofia, ka manasaritaka ny efa milamina
latina
59.
Boka tsy namosavian-kavana ohatry ny mananasy
latina
60.
Ny boka indray no mahantra: velona tsy iray trano, maty tsy iray fasana
latina
1
2
3
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0206