Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana, anaty sokajy
finoana
Hampiditra ohabolana
31.
Kristianina marina, fa na ny rano ho sotroiny aza isaorany ny Tompo!
ilanto
32.
Toy ny sikidy saka:ny fo iray ihany, fa ny loha no samy hafa
niryna
33.
Manao an'Andriamanitra tsy hisy ka mitsambiki-mikipy
niryna
34.
Ny maty no tsy alevina Alakamisy sy Alahady;ny velona no tandrovina
niryna
35.
Ny maty no tsy alevina Alakamisy sy Alahady;ny velona no tandrovina
niryna
36.
Ny faniriana tsy takatry ny vintana
latina
37.
Sendra mandalo Ramaka, ka may ny tanĂ na
latina
38.
Tafitohina mandon-tavy ka merika ny andro
latina
39.
Ingorofotsy mitono sahondra, ka bokan'ny nataony
latina
40.
Ny papelika no maro vava, mitana ny hafatry ny ntaolo
latina
41.
Tarehy ratsy nataon-janahary, ka tsy vanon-kisaronan-doha.
latina
42.
aza mandika ny soan-janahary
latina
43.
aza manao vava azon'Andriamanitra
latina
44.
Tsy mandidy alohan'andriamanitra aho, fa izay zara-vintana lolohavina.
latina
45.
Za mandidy alohan'Andriamanitra toy ny mpanotrika akoho.
latina
46.
Na dia manarona akoho aza, raha mby amin'ny omen'Andriamanitra dia manana.
latina
47.
aza manao an'Andriamanitra azo am-po mandrakariva.
latina
48.
Mandeha irery, sahalain'andriamanitra, mandeha roa, sahalain'olombelona
latina
49.
Ny iray tahitathin'olombelona, fa ny iray tahitahin'andriamanitra
latina
50.
Ny tany vadiben-janahary: mihary ny velona, manotrona ny maty
latina
51.
Andriamanitra tsy an'ny irery
latina
52.
aleo meloka amin'olombelona, toy izay meloka amin'Andriamanitra
latina
53.
Andriamanitra tsy tia ratsy
latina
54.
Avo fijery ny andriamanitra, ka mahita ny takona
latina
55.
Tsy mandidy alohan'Andriamanitra aho, fa izay zara-vintana lolohavina
tia
56.
Rafotsibe nita rano izay mahasoa ataon'Andriamanitra
zanita
1
2
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0354