Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe Anà
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
Anà
Hampiditra ohabolana
601.
Mieritrereta tsara fa raha lava ny tanety , misy fisainana
yveratsimb
602.
Tsy mba ny alika manao baranahiny, fa ny kary no mandry amim-pively
yveratsimb
603.
Tsy manan-kamidy ka manontany, vary dimiventy ka avezivezy
yveratsimb
604.
Ny vava : tapaka fa tsy namana
yveratsimb
605.
Aza manao toy ny boka manjono, ka mifamitaka samy malama
yveratsimb
606.
Trano bongo misy ronono ka sarotra atao malahelo, ary jiolahy manan-trano ka sarotra atao olon-dratsy
yveratsimb
607.
Aza manao sotrobe lava tango, mahay atsy, mahay aroa
yveratsimb
608.
Omena mody voky, nefa mangala-pihinana ihany
yveratsimb
609.
Na tsara nify anoloana aza tsy hitsako mialoha ny vazana
yveratsimb
610.
Zandry am-piterahana, fa zoky amin-kevitra
yveratsimb
611.
Tsy asiana mizana tsindrin’ila na atao atody mafana ila
yveratsimb
612.
Raha zaza tsy hilalao, mitoera ho isan’ny tanora. Raha tanora tsy hiasa, mitoera ho isan’ny antitra. Raha antitra tsy hitafasiry, mandehana ho razana, ary raha razana tsy hitahy, fongary hihady vomanga
yveratsimb
613.
Raha hitsangan-tsy mahay, aleo misonenika an-toerana
yveratsimb
614.
Ny hitsikitsika tompon’ny dihy, ny Vivy tompon’ny rano, ary ny ray aman-dreny no tompon’ny fitenanana
yveratsimb
615.
Natao hitsikitsika hivavahana, kanjo voromahery mipaoka akohokely
yveratsimb
616.
Lambo mandia hosy ka manaraka ny efan’ny omby
yveratsimb
617.
Tantely sy akondro, tafaray samy mamy, sakamalao sy sakay, tafaray samy mafana
yveratsimb
618.
Manalasala toa vozon'akoho tanora, hanina toa taolana, ariana toa nofony ihany
yveratsimb
619.
Aza manao tompony, mangataka atiny
yveratsimb
620.
Ny teny toy ny zipon'ny tovovavy, lava mamafa lalana, fohy mampitanjaka ny tompony
yveratsimb
621.
Hendry zana-bady ka miaritra ny ditran-dreniny.
aivetinakely
622.
Voanemba mitsipika anjoron-trano ny zanaka manam-bady havana ,tsy very fa miharo amin'ny namany.
aivetinakely
623.
Ny teny toy ny vato , izay maivana no atoraka.
aivetinakely
624.
Aza atao vato natsindry ahazana ny fitiavana, ka rehefa vita ny nilàna azy atsipy any andavaka.
aivetinakely
625.
Ny manana omby manana hena, ny manana fahaizana manana harena.
aivetinakely
626.
Ataovy fihavanam-bava sy tanana : ka raha marary ny tanana ,dia mitsoka ny vava; ary raha marary ny vava,dia misafo ny tanana .
yveratsimb
627.
Aza manao fitian-dalitra, maty mitety ny ratsy, fa mba manaova fitian-tantely ka maty mamela ny mamy ho an'ny fokonolona
yveratsimb
628.
Ny ray no mihosom-potaka, ka ny zanany no vazina
yveratsimb
629.
Ny anatry ny ray toy ny tsipak'ombalahy, mahavoa mahafaty, tsy mahavoa mahafanina
yveratsimb
630.
Afo lavitra tsy azo amindroana
yveratsimb
Voalohany
Mialoha
19
20
21
22
23
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.077