Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe Anà
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
Anà
Hampiditra ohabolana
571.
Adala vady reny anaka ka mirakitra amin-karon-doa-body
yveratsimb
572.
Manisa be tsy ho an' ny tena ohatra ny vady tokantrano mason' ny mpanankarena
yveratsimb
573.
Mitsaha-pilàna ohatra ny mpivaro-baliha maty vady
yveratsimb
574.
Hazakazaka ambany farafara ka samy manala izay ho afany
yveratsimb
575.
Aza manao fikitra mampiady angely
yveratsimb
576.
Ny olombelona toy ny embok' akondro: raha manondro lanitra, iray ihany, fa raha miondrika, samy manana ny holafiny
yveratsimb
577.
Amboalahy miandry embok' akondro: andrasana tsy latsaka, ilaozana toa hena
yveratsimb
578.
Dridran' Ingilo: andrasan-ko sitrana vao manapa-kozatra
yveratsimb
579.
Tsara ny tantana, fa ny rafozana no tsy enina
yveratsimb
580.
Rafotsibe maty andro nandroana: sady tsy enina ny aty no tsy enina ny any Ambondrombe
yveratsimb
581.
Izay fatra-pandà ihany no manaiky
yveratsimb
582.
Aza atao vato tsindry hahazana, karaha maloka ny andro atsipy
yveratsimb
583.
Alahelon-dehilahy tsy maharitra hateloana
yveratsimb
584.
Manary andro toy ny lehilahy mitsongo anana
yveratsimb
585.
Ny zoto ahandroana, ny laina itonoana
yveratsimb
586.
Nanao soa vahiny: voky izy dia nilaozany
yveratsimb
587.
Zatra ny antohojinga ka tsy velon' ny an-kararàna
yveratsimb
588.
Taolana ny nify ka mihomehy
yveratsimb
589.
Lany hena alohan' ny olona ka ny nify no aolanolana
yveratsimb
590.
Raha baka mahay manorirana ianao, izaho mba kirongo tsy misy hidirana
yveratsimb
591.
Varotry ny manano tena ka raikitra vao tora-kovitra
yveratsimb
592.
Aza manao vazaha fito an-trano
yveratsimb
593.
Amoron' ala tsy manan-trano be
yveratsimb
594.
Mitafa amin' ny mpanankarena ka raha tonga mitain-kidin-trano
yveratsimb
595.
Tsy misy misambo-balala ho an-janak' olona
yveratsimb
596.
Manan-jara ihany ny tsy miteny, fa ny miteny ihany no manana adidy
yveratsimb
597.
Ny olona handrandrana no hanafenan-doha sola
yveratsimb
598.
Ny tarehy an-dRahiratra fa ny vintana an-dRatsitamorainy
yveratsimb
599.
Mandrara homana ohatra ny goaika
yveratsimb
600.
Amboa homana ondry, ka ny fo no manefa
yveratsimb
Voalohany
Mialoha
18
19
20
21
22
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0205